Vakiteny voalohany
Boky Fanisana (Fan. 21, 4b-9)
Izay voakaikitra ka mijery ny bibilava varahina dia ho velona aina.
Tamin’izany andro izany,
dia nanomboka ho tofoky ny lalana sy ny asa ny vahoaka,
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe:
“Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay
ho faty aty an’efitra?
Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy,
ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.”
Ary Andriamanitra tamin’izay
nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka:
nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.
Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe:
“Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy ianao.
Mivavaha amin’Andriamanitra mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.”
Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,
ka hoy Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo,
fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.”
Dia nanao bibilava varahina i Môizy,
ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray,
ary raha nisy voakaikitry ny bibilava,
dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 77, 1-2. 34-35. 36-37. 38
Tsy hanadino ny asan’ilay Mahery aho.
Henoy ny lalàko, ry oloko;
ny tenin’ny vavako anongilano sofina:
hiloa-bava Aho hilaza fanoharana,
hanonona zava-miafina hatry ny ela.
Fa raha novonoiny izy dia nitady Azy,
mba niverina nikatsaka Azy ihany;
mba tsaroany fa Izy Tompo no Vatolampiny,
ilay Avo indrindra no Mpanavotra azy.
Kanjo fitaka no teo am-bavany,
lainga no tamin’ny lelany;
ny fony tsy niorina tamin’ny Tompo,
ny faneken’ny Tompo tsy airaiketany.
Izy Tompo anefa, noho ny indrafony
namela hadisoana ka tsy nandringana,
tsy mba nanarana hatezerana,
tsy sasatra nampody havinirana.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 6-11)
Nilatsa-Tenany ho ambany Izy; ho valin’izany kosa dia nasandratr’Andriamanitra Izy.
I Kristy Jesoa na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-Tenany ho ambany,
nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany,
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy
dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 13-17)
Tsy maintsy asandratra ny Zanak’Olona.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:
“Tsy nisy niakatra tany an-danitra
afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany,
dia ny Zanak’olona izay any an-danitra.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra,
no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao,
ka nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.