16 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)
Marina fa hery sipernatoraly ny fitiavana, hery ao anaty mivelona sy miaina izay mampiavaka ny olombelona. Mety manana ny faniriany sy hetaheta ilainy ny fitiavana saingy azo fehezina ho an'izay misaina. Ny tsirairay no mibaiko azy satria samy manana azy ny olombelona rehetra. Ny fahalemen'ny tanora maro dia maika loatra ny hiteny hoe "tiako ianao" "izaho koa tia anao". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
15 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
Masina sy voatokana ny firaisana ara-nofo, ary ampahafantarina ny tanora, indrindra amin'ny fandalinam-pinoana ho firosoana amin'ny Sakramentan'ny Fankaherezana. Ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy, ara-pananahana dia fitaovana ho entin'Andriamanitra hiarahana miasa amin'ny zanak'olombelona hitehirizana ilay aina avy Aminy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco