6 aprily 2024 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

Mbola kely ny ankizy dia tokony ho beazina hahay hifandray amin'ny tontolo iainana manodidina azy. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny sekoly.  Tsy maintsy apetraka ny soatoavina ka izay no tovozina amin'ny hafa. Manampy ny zaza hahay hiara-monina ny fifaneraserana sy ny fifampikasohana amin'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

5 aprily 2024 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

Ilay fotoana hirosoan'ny tanora amin'ny fiainan-tokan-trano no tanjona amin'ny fanitsiana azy ireo dieny mbola kely fa tsy fanaovana tsinotsinona zaza akory. Ny fampianaran'ny Baiboly dia manantitrantitra be ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny fa tsy ny zon'ny zaza. Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho lava andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin'ny tany nomeko anao. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...