20 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)

19 mey 2024 — Alahady Pantekôty — Fankalazana manetriketrika — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26-27 ; 16, 12-15)

18 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)

17 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...