17 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)

Manome fahefana an’i Piera eto i Jesoa mba hiandraikitra ny ondriny. Izany hoe fanomezana fahefana an’i Piera hiahy ny Fiangonan’i Kristy. Andraikitra lehibe tokoa izany ; satria mila fanoloran-tena sy fahavononana ary fahafoizan-tena. Izay no mahatonga an’i Jesoa manadina intelo miantoana an’i Piera eto. Fa inona tokoa moa no dikan’ity fanontanian’i Jesoa amin’i Piera ity ? Moa tia Ahy ve ianao ? Fitiavana manao ahoana moa no lazain’i Jesoa eto ?

Ny hoe “tia” eto amin’ity Evanjely ity dia manana dika roa samy hafa : voalohany, ny mitia dia midika hoe maimaim-poana (Agapé) ; ary ny faharoa, ny mitia dia midika hoe amim-pisakaizana (Philea). Ka raha atambatra izany dia midika hoe mitia ny sakaiza maimaim-poana. Izany no midika fa ny fitiavana andrasan’i Jesoa amin’i Piera eto dia fitiavana tsy misy tambiny, dia ilay fitiavana ambony indrindra sy lafatra indrindra. Koa araka ity valintenin’i Piera ity dia nitia maimaim-poana an’i Jesoa toy ny sakaizany izy. Ary izany fitiavana nitiavan’i Piera an’i Jesoa izany ihany koa no tian’i Jesoa hitiavan’i Piera ny zanak’ondriny sy ny reniondriny.

Ambonin’izany, ny famerimberenana intelo ao amin’ny Soratra Masina dia milaza fanamafisana hanamarinana fa tena izay tokoa ny olona iray na ny zavatra iray : toy ny Masina miverina intelo ao amin’i Izaia Mpaminany toko 6, 3, hilazàna fa tena masina Andriamanitra ; toy izany koa ny fandavan’i Piera intelo, hilazàna fa tena mpivadika i Piera (Jo 13, 38 ; 18, 17 ; 18, 25-27). Noho izany, ny famerimberenana intelo ataon’i Jesoa amin’i Piera eto, fanontaniana arahina valiny, dia manamafy fa tena tia an’i Jesoa i Piera ; ary vokatr’izay, dia tena manamafy koa i Jesoa fa i Piera no itokisany ka hanankinany ny adidy hitantana ny andianondriny.

Amin’ny fomba ahoana ? Dia tokana ihany no fepetra takian’i Jesoa amin’ny fitantanana ny andianondriny : dia ny mitantana azy amin’ny fitiavana. Ahoana ny atao amin’izany ? Toy ny nataony ao amin’i Joany 10 : “mahalala sy mitia ny ondry”. Toy izany koa ny voalaza ao amin’i 1P 5, 2 : “mitandrina azy, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra ; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po ; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry”. Izany rehetra izany dia mitaky fahafoizan-tena. Ka izany no nilazan’i Jesoa an’i Piera mialoha hoe : “ny olon-kafa no hitondra anao amin’izay tsy tianao”. Izany hoe ho martiry izy noho ireo ondry ireo ; ka nilazan’i Jesoa azy hoe : “manaraha Ahy”. Milaza izany fa antsoina i Piera hanaraka ny lalana nodiavin’i Kristy, dia ny fanarahana Azy hatramin’ny fahafatesana. Koa tanteraka tamin’i Piera moa izany.

Arak’izany, ny tena mpiandry ondry tia ny ondriny dia tsy mihemotra hatramin’ny farany fa mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny. Izay no atao hoe mamahana azy. Noho izany, tsy mora ity mamahana ondry ity, fa mety hamoizana ny aina. Koa mivavaha àry ho an’ny mpiandry antsika, indrindra ny Eveka, mba ho mafy finoana hatrany izy ireo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...