Ny dingana ho amin'ny fanatrarana ny tanjona eo amin'ny fiainana dia miainga amin'ny paikady toy ny fananana toetra tsy manjehy ny andro ho lava, ny famaritana tsara sy mazava izay hatao, hiainana ilay teny hoe : Aza mihetsika aloha fa mialohan'ny hiaingàna dia fantaro hoe ho aiza ianao...
Simba ny tontolo iaina, ndao hiray hina hanambatra ny hery hamerina ny fihavanana. hasehontsika ny fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fihetsika ataontsika isan'andro, satria i Madagasikara dia tsy LOVA navelan'ny razana ho antsika fotsiny fa indramintsika amin'ny taranaka aza, mba hirehareha ny taranaka hoe "mandova tsara"...
Ny antony mahatonga ny fahasimban'ny tontolo iainana : Voalahany ny fanaovana tsinotsinona ny kolontsaina malagasy, raha tsy hiteny afatsy ny ala, ohatra ny "reserve de Bemarivo-Ampasy ; faharoa ny fifindramonina tsy misy fandrindràna, eo koa ny fanapahan-kevitra ambony latabatra avy amin'ny fanjakana mikasika ny fitrandrahana, ary farany dia fambolena mampiasa tavy sy ny fanaovana arina fandrehitra....
Ny atao hoe fanabeazana : dia fikoloina hahatonga ny olona iray ho olombanona izany mikolo ny maha olona, fampivelarana ny vatana, ny saina ary ny fanahy. Ny endrika hamantarana fa nahazo fanabeazana : olona tia mandray andraikitra, mendrika ara-pitondran-tena, manaja ny tenany sy ny hafa. Ny tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana dia ny ray aman-dreny no voalohany indrindra, ny mpampianatra, ny fiaraha-monina hotronon'ny haino aman-jery, ary farany dia ny fiangonana. Ny antony mbola mahamaro ny herisetra : Tsy ampy ny fanabeazana sy ny fiomanana ny tanora hirotsaka amin'ny sehatry ny fanambadiana, ny tahan'ny fahantrana. Tsy ampy intsony ny fifandraisana eo amin'ny Ray aman-dreny sy ny zanaka. Mahery vaika ny fanatontoloana sy ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina...
Fanamafisana ny fanentanana ny rehetra amin'ny ady amin'ny valanaretina Covid-19. Nahazo lesona lehibe isika rehetra tamin'ny dingana voalohany niainantsika ny valanaretina Covid-19 iny. Tsapa ny faharefoantsika rehetra na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy, na ara-toekarena. Aleo hamafisina ny fanarahana ireo fepetra fiarovana fa tsy mbola foana ny valanaretina sao ho mafimafy kokoa ny dingana faharoa...
Ireo fomba valo (8) azo hisorohana ny faharerahantsaina. (16-12-2020)
Mompera Pedro Opeka : 30 taona mahery nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, mba hananana fiainana tsaratsara kokoa. 30 taona mahery nahitana fahombiazana, nisedrana fahoriana samihafa, isan'izany ny fiatrehana ny coronavirus saingy toa lalovana fotsiny izany rehefa ny fitiavana ny olona rehetra ho toa ny rahalahy sy anabavy no nanosika hiantsehatra amin'izany. Mitohy ny ezaka fampandrosoana sy ny fandresena ny fahantrana nataon'ny fikambanana AKAMASOA tao anatin'ny 30 taona mahery...
10 desambra, feno 10 taona ny nanambaran'ny firenena mikambana ny maha zo fototra maha olona ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, Nomarihina tamin'ity taona ity ihany koa ny faha-72 taona, nanambarana ny zon'olombelona. Ireo zo fototra mikasika ny rano sy ny fidiovana : voalohany rano ampy tsara ho an'ny isam-batanololona, faharoa rano madio tsy misy loto mety hanimba ny fahasalamana, fahatelo fanadiovana azo antoka izany hoe misaraka ny diky sy ny olombelona, fahaefatra rano akaiky sy azo hampiasaina amin'ny toerana rehetra, fahadimby takatry ny fahefamividin'ny rehetra, fahenina tsy ahitana fanavakavahana...
Ny fandinihana ny fiaraha-monin'ny zava-mananaina rehetra no atao hoe "écologie". Antoky ny fahasalamana ny tontolo manodidina antsika. Raha misy fikorontanana ny manodidina dia misy akony ratsy foana, ny rivotra, ny rano sotroina, ny hazavana entin'ny masoandro. Mihena ny ely rehefa miaina ny fitsaharan'ny fadimbolana ny vehivavy, mila omanina ny fiatrehana izany amin'ny lafiny ara-tsakafo sy ny fisotroana rano ary ny fikoloana ny tontolo manodidina...
Ny diabeta : tranga ahitana fa ambony ny fatran'ny siramamy amin'ny rà, raha miohatra amin'ny tokony ho izy, vokatry ny faharerahan'ny sarakaty, izay mahatonga ny fihenan'ny famokarana "insuline". Mety hananosarotra ho an'ireo vehivavy diabetika ny hahazo zanaka raha tsy voazaha sy harahi-maso tsara. Ireto fambara : ho an'ny latsaky ny 30 taona dia mipipy matetika, misotro rano lava, mihamahia, reraka be ; ny 40taona no miakatra kosa dia ny sarakaty no matetika tsy mamokatra insuline tsara intsony. Eran-tany dia misy olona matin'ny diabeta isaky ny 7minitra...
Papa Bio na antsoina hoe Ranaivoarisoa Basile, mpikaroka sy mpisehatra amin'ny fambolena biôlojika. Tantsaha mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra tsy nitsaha-nikaroka mba hampalavorary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny famokarana biôlôjika, miainga avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
♦ IPS : (International Primatology Society) Fikambanana iraisam-pirenena ivondronan'ireo mpikaroka momba ny rajako sy ny varika, manerantany, efa nisy telopolo taona izao... ♦ Fanaloka : biby antsoina koa hoe ridarida na ambolaolo, mirefy 455mm hatramin'ny 495mm ny vatrany ary 140-220mm ny rambony, milanja 1,6 hatramin'ny 2.1kg izy... ♦ Ny rivo-doza : Rivomahery miforona noho ny tsindrin'ny atimôsifera sy ny hafanan'ny ranomasina, mety mitondra tafiotra sy oram-baratra...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco