Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy : “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe : “Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany ? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany ? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna ? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny ?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.” Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

Tamin’izany andro izany, rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe : "Ny lahy voalohanteraka rehetra dia atao hoe masina ho an’ny Tompo", ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo. Ary indro nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema ; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina, sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandrapahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy, ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe : "Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao". Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe : "Indro ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina, — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra — mba hiseho ny hevitry ny fo maro". Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray, dia i Anina zanak’i Fanoela, fokon’i Asera ; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny ; ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia intý nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin’ny gadra aza, fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato. Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, ary niantso tamin’ny feo mahery hoe : “Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”, satria i Jesoa efa nanao taminy hoe : “Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.” Ary nanontany azy Izy nanao hoe : “Iza no anaranao ?” Dia novaliany hoe : “Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.” Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany. Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe : Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina. Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha ; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra tery. Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa, dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny. Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy ; fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy : “Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.” Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro, ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe: "Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano." Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: "Ry Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?" Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: "Mangina, mitonia." Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?" Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: "Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?"

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany, ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany. Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana." Ary hoy indray Izy: "Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony." Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ambanin’ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy? Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino." Dia hoy indray Izy: "Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy."

Tamin’izany andro izany i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe : “Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina, fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo, ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny.” Ary hoy Izy : “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.” Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: “Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.” Dia hoy Izy : “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra ? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny ; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela ; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.”

Tamin’izany andro izany, tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy. Fa nisy olona maro nanodidina Azy, dia nilazana Izy natao hoe : "Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao". Fa novaliany hoe : "Iza moa no reniko sy rahalahiko ?" Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe : "Ireo no reniko sy rahalahiko ; fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko".

Tamin’izany andro izany, niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe : "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy ; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino : Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny".

Tamin’izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo : "Efa very saina Izy".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera ; ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba, izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra ; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...