Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny ; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo." Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra : "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy. Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy ?"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe : "Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa ataonareo mba hahitany azy ; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo anoloanao tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany, Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana, mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. Ary raha mivavaka ianareo ; aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny Sinagôga sy eny anjoron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valisoany. Fa Ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao ainin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ny ao amin’ny mangingina no hamaly anao. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao".
Tamin’izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe : "Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda." Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe : "Noho isika tsy manana mofo izay." Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy : "Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo ? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo ? Donto ny fonareo ? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina fa tsy mahare ? Ary tsy mahatadidy va ianareo ? Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Dia hoy ireo taminy hoe : "Roa ambin’ny folo." Dia hoy i Jesoa : "Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Hoy ireo hoe : "Fito." Dia hoy Izy taminy : "Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe : "Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana ? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý." Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
Tamin’izany andro izany : nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe : "Mampalahelo ahy itý vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina ; ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany." Dia hoy ny mpianany namaly Azy : "Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra ?" Ary Izy nanontany azy hoe : "Manana mofo firy ianareo ?" "Fito", hoy izy ireo. Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana ; dia nampodiny. Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe : "Efeta, izany hoe, misokafa." Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : "Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery. Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony. Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy. Fa hoy Izy taminy : "Aoka ho voky aloha ny zanaka ; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa." Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe : "Marina izany, Tompoko, kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany." Ary hoy i Jesoa taminy : "Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony." Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony.
Tamin’izany andro izany, niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa ka nanao taminy hoe : "Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino." Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana, ary hoy Izy taminy : "Hay ! ianareo koa mba kely fahalalàna toy izany ! Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy, satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona ; satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana ; izany zavatra rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy."
Tamin’izany andro izany, niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. — Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazana izy ; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. — Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe : "Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa ?" Ary hoy ny navaliny azy ireo : "Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy araka ny voasoratra hoe : itý firenena itý manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony ; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo." Dia hoy Izy taminy : "Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. Fa hoy i Môizy : Manajà ny rainao sy ny reninao ; ary koa : Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. Fa hoy kosa ianareo : Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe : Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efa Kôrbana izany hoe : fanatitra ho an’Andriamanitra, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony, ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra ; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo."
Tamin’izany andro izany, nony tafita i Jesoa sy ny mpianany, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona, ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.
Tamin’izany andro izany, niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy : "Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely" : fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Tamin’izany andro izany : Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe : "I Joany Batista nitsangan-ko velona izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy" ; fa ny sasany kosa nanao hoe : "I Elia izay", ary ny hafa indray dia hoe : "Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany." Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe : "I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany, fa efa nitsangan-ko velona izy." Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. Satria i Joany nanao taminy hoe : "Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao." Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza, saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy ; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy : "Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao", sady nampiany tamim-pianianana hoe : "Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza." Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe : "Inona no angatahiko ?" Ary hoy reniny : "Ny lohan’i Joany Batista." Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe : "Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista." Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy, dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco