Ny fianakaviana dia fototra hiorenan'ny fiaraha-monina, ahitana ray aman-dreny sy zanaka. Miainga amin'ny fianakaviana foana ny lamina entina mampandroso ny firenena. Miseho amin'ny lafiny maro ny rafitra fianakaviana : ny fianakaviana ara-pinoana, ny fianakaviana ara-drazana izany hoe iray ra, misy koa ny fianakaviana ara-politika, fa ny rafitry ny fianakaviana ahitana ny ray aman-dreny sy zanaka hatrany no niaingan'ireny. Misy fomba tsotra afahan'ny fianakaviana hifampizara finoana sy fanantenana amin'ny alalan'ny fampianarana ny finoana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fotoana maha zatovo dia fotoana tsy maintsy lalovana ary fiolahana lehibe eo amin'ny fiainana satria fotoana mety hanaovana fitondrantena mety hitondra voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana sy ny fiainana manontolo. Eto Madagasikara, miaina ao anaty tontolo tsy ahazoany fahasalamana ny tanora, mitontongana ny toekarena, ny fanabeazana, ny fiahiana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...