♦ Navotsotra ary navela nody ny mpanao gazety Gascar Fenosoa, taorian'ny nampiantsoana azy teny Fiadanana. EFa nohadihadiana ihany koa i Christian Tabera, taorian'ny fisamborana azy ny alakamisy teo... ♦ Tsy tanteraka omaly ny fifanatrehana mivantana teo amin'ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta. Iraka no nalefan'ny Governemanta nanangona taratasy mirakitra ny fanontanian'ireo eo anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Homarihana anio ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Hikarakara loabary an-dasy momba ny fanodikodinana ny volam-panjakàna etsy amin'ny fiobeny etsy Ambohibao ny Bianco, entina hanamarihana izany...
♦ Lany tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieran-doholona androany, ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024. Vinavinaina hiakatra 4,5% ny tahan'ny fitomboan'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2024... ♦ Navotsotra ary nalefa nody ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa, tao aorian'ny nampiantsoana azy teny Fiadanana androany... ♦ Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny handresy ny fahantrana eto Madagasikara. Mba hahatratrana izany dia mila mifampitsinjo sy mifanohana ny samy Malagasy...
♦ Efa miatrika ny zandary Sampana Heloka Bevava eny Fiadanana, ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa, izay ahiahiana amin'ny fiantsoana ireo miaramila hikomy... ♦ Mandindona ny fiaraha-miasa eo amin'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena sasantsany sy ny Filoha vao voafidy farany teo, hoy ny antoko Otrikafo... ♦ Misokatra manomboka anio, ny làlana mampitohy an'Ifanadiana sy Ikongo, rehefa tapaka nandritra ny tapa-bolana, noho ny fanamboarana ny tetezana tao amin'ny PK 10...
♦ Tsy antenaina ny hahatanterahan'ny fihaonana eo amin'ireo Solombavam-bahoka sy ny mpikamban'ny Governemanta anio, na dia mbola voatazona aza ny fandaharam-potoana ny amin'izany... ♦ Noravan'ny Filankevi-panjakana ny didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, izay nampiato ny fandroahana an' Baba Rakotoarisoa amin'ny asany... ♦ Niantso ny mpanjifa ho mailo amin'ireo entana lany daty, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, amin'izao vanim-potoana hidirana amin'ny fety izao...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco