♦ Nitombo 5,32% amin'ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy taorian'ny fanavaozana isa-taona izay nifarana omaly... ♦ Atao fitaratra ho an'i Afrika amin'ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka i Madagasikara ato anatin'ny dimy taona hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Antsirabe omaly... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika amin'ny tontolon'ny fanabeazana hoy ny Konfederasiôn'ny SEMPAMA... ♦ An'arivony ireo olona voatery nafindra monina noho ilay afo sy ny setroka miparitaka vokatry ny firehetan'ny ala ao Fort MC Murray any Alberta, Canada...

♦ Niakatra 5,32% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy, tao aorian'ny fanavaozana isan-taona izay nikatona androany... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana, hoy ny Kônfederasiôn'ny Sempama... ♦ Nanomboka nihodina omaly ny orinasa mpanodina ny ovy ho lasa chips, any Faratsiho...

♦ Hampahafantarin'ny vaomieram-pirenena mahaleon-tena mikarakara ny fifidianana na ny CENI amin'ity tolak'andro ity ny lisitra ôfisialin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy na ny RAL 2024... ♦ Maro amin'ny zaza sy ankizy any amin'ny Distrikan'Ampanihy-Andrefana no tsy mbola nahazo vaksiny fanefitry ny "polio" mihitsy, antony nanaovana ny hetsika fanombohana ny fanaovam-baksiny faobe 2024 tany amin'ity distrika ity... ♦ Nankatoavin'ny fitsarana atsy Afrika-Atsimo ny famerenana an-tanindrazana ireo teratany Malagasy roalahy nigadra tany an-toerana noho ilay raharaha fanondranana volamena milanja 73 kilao... ♦ Nihaona manokana tamin'ireo pretra efa zokiolona tao amin'ny Bazilika iray, ny Papa François...

♦ Nomelohin'ny PAC na ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, asa anterivozona 10 taona ireo olona telo tsy niatrika ny raharaham-pitsarana azy notanterahina ny alatsinainy teo, mahakasika ny raharaha tambi-karama teo anivon'ny orinasa JIRAMA... ♦ Hifarana ôfisialy amin'ity tapak'andro maraina ny 15 mey ity manerana ny distrika 120 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RAL 2024... ♦ Ny kianja ao an'i Pretoria any Afrika-atsimo no nosafidian'ny federasiôna Malagasy ny baolina kitra, hanaovana ny fihaonan'i ekipam-pirenena Malagasy amin'i Comores sy Mali amin'ny fifaninana hiatrehana ny Mondial 2026... ♦ Vokatry ny ady eo amin'i Israël sy Hamas : olona maherin'ny 450.000 no voatery nafindra toerana...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...