♦ Voamarina ny fisian'ireo olom-pirenena tsy nahazo kara-pifidianana avy amin'ny Fokontany, tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro, noho ny loko pôlitika tsy mitovy... ♦ Misy ny fiandrasan-draharaha eny amin'ny Fitsarana mandritra ny fialan-tsasatra ara-pitsarana, izay nanomboka androany, ary haharitra iray volana... ♦ Tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin'ny faritry ny afovoan-tany amin'ity herinandro ity, hoy ny Météo Malagasy...

♦ Andrasana ny fijoroan'ny Governemanta, taorian'ny fihanianan'ny filoha ny Sabotsy teo. Tokony ireo ministra tsy manadino vahoaka, rehefa mahazo toerana no mandrafitra ny governemanta vaovao hoy ny AMP, fikambanana tanora mpanohana ny fitondràna...  ♦ Niaka-bidy ny hen'omby eny amin'ny tsena eto Antananarivo amin'izao ka  nahitana fiakarany 2000Ariary isaky ny kilao. Mampitandrina ireo manararaotra amin'izao fety izao ny eo anivon'ny Ministeran'ny fiompiana... ♦ Manantena ny hanamboarana ny lalana mampitohy an'i Tsiroanomandidy - Maintirano ny fikamban'ny ben'ny tanàna any amin'ny Faritr'i Melaky amin'izao fe-potoam-pitondrana faharoa izao. Telo andro ankehitriny no hanaovana izany lalana izany...

♦ Nahavita ny fihanianany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka nandraisany ny asa maha filohan'ny repoblika azy ; banga ny toeran' ireo vondron'ny kandidà 11, nandritra ny lanonam-pihanianany teny Mahamasina... ♦ Nilaza ho nisy nandrahona hisambotra ireo ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, nanao fomba ara-drazana teny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo izy ireo ny sabotsy teo ho fanoherana ny lanonam-pihanianana teny Mahamasina ♦ Miantso ireo mpisehatra pôlitika rehetra eto Madagasikara hisian'ny fifampidinihana pôlitika ny masoivohan'ny Angeletera eto Madagasikara, mila hapetraka ny fifampitokisana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana manaraka hoy izy...

♦ Olom-panjakana ambony maro, avy amina firenena samihafa no voalaza fa ho avy hanatrika ny lanonam-pianianan'ny Filoham-pirenena vao voafidy, eny Mahamasina... ♦ Tsy tokony hisy ny lanonam-pianianana eny Mahamasina ny sabotsy izao, hoy ny Antenimieran'ny Ray aman-dReny Foko Malagasy androany, tanatin'ny fehin-keviny... ♦ Ho vita tanteraka mialoha ny faran'ny taona 2024, ny zotra volom-boasary amin'ny fitaterana an-tariby ao an-drenivohitra. Hampiasaina sy hatao andrana teknika tsikelikely izay zotra vita, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...