♦ Tsy misy ny sakana tokony tsy ahatratraratsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo hoy ny Ministry ny fambolena sy ny Fiompiana raha ny tohana ataon'ny tetik'asa sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nanazava ny sehatr'asan'ny ministera niadidiany moa ny Ministra Ratohiarijaonina Suzelin... ♦ Mampihantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana i Madagasikara. Tanterahana etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena, ny fivoriana an-tampon'ny fifanarahan'i Nairobi momba ny COP andiany faha-11...  ♦ Baolina kitra, nahavita nihazona ady sahala 01 noho 01 tamin'ny tompon'ny amboaran'i Angola tatsy Luanda renivohitra Angolais ny Elgeco Plus...

♦ Hoampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy anio tolakandro ny anaran'ireo ministra handrafitra  ny governemanta Ntsay Christian. Fanambarana avy amin'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanatitra ny antontan-taratasy mirakitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny lapan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy ny député voafidy tao Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary. Ny mpanao lalàna hoy izy no tokony hanaja ny lalàna voalohany... ♦ Hiatrika fivoriambe any Nosy-Be, Faritra Diana, rahampitso ny Infirmiers Malagasy. Miisa 445 ireo mpisandoka ho Infirmier tratra tao anatin'ny 8 volana nitantanan'ny biraon'ny holafitry ny Infirmier ankehitriny...

♦ Paikadim-pirenena vaovao no entin'i Madagasikara hiady amin'ny kolikoly, manomboka ny taona 2025. Misy atrikasa isam-paritra hamolavolana izany... ♦ Nahatratra 4.300 taonina ny lavanila nahondrantsika malagasy tany ivelany tamin'ity taona 2024 ity... ♦ Hajoro ny fikambanan'ny infirmiera aty Afrika. Hisy ny fivoriambe ataon'ny infirnmiera malagasy any Nosibe, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, hanomanana izany...

♦ Fifanitsahana andraikitra eo amin'ny samy mpanatanteraka no antony mampitarazoka ny fananganana ny Governemanta, hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Sakana isan'ny tsy mampandroso ny kaominina ambanivohitra ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitry ny vahoaka eny ifotony sy ny tsy fandoavan-ketra... ♦ Hanaovana ezaka manokana ao amin'ny Distrikan'i Farafangana ny lafiny fandrim-pahalemana, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...