• Niakatra ho 76 ny isan'ireo tranga ahiana fa aretina nendran-drajako hita eto Madagasikara. Nitombo ny faritra ahitana azy, raha ny tarehimarika avy amin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... • Navotsotra, saingy eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana i Moussa Soahily, taorian'ny fiakarany fitsarana omaly hariva. Diso ny vaovao niparitaka fa nalefa eny Tsiafahy ity mpomba ny fitondrana teo aloha ity... • Hiverina ny fitondrana arovava sy orona eny an-tsekoly. Namoaka naoty ho fampiharana ireo fepetra fisorohana ny Mpox amin'ny sehatry ny fampianarana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, omaly...

• Nampiaka-peo ny Filohan'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Tsy manara-dalana ny fanesorana ny fanenjehana ny depiote Sahodraharimalala Marie Michelle, hoy izy... • Hisy fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara indray, ny fiparitahan'ny valan'aretina MPOX, raha tsy voafehy haingana, hoy ny manam-pahaizana iray... • Hiverina ny arovava-orona sy ireo fepetra sakana eny an-tsekoly rehetra, hisorohana ny fiparitahan'ny aretina nendran-drajako. Namoaka naoty mifandraika amin'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...

• Mandray andraikitra manandrify azy tsy hiparitahan'ny aretina nendran-drajako na Mpox, ny tompon'andraikitra samihafa. Miisa 40 ireo ahitana soritr'aretina, araka tarehimarika farany... • Tsy marina ny vaovao niely momba ny fahazoan'ireo tompon'andraikitra samihafa, miara-miasa amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, valisoa manokana, hoy ny Talen'ny Kabinetra, Onitiana Realy... • Maro ny asa mivaingana vita, nitondrana fanavaozana, eny amin'ny tontolo ambanivohitra, araka ny tatitra nataon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tantsaha maherin'ny 90.000 no nisitraka fanohanana niatrehana ny taom-pambolena lehibe...

• Efa an-dalana ny famahana ny olan'ny jiro sy rano, votoatin'ny tolona natao farany teo. Izay no nambaran'ny Praminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety teny Mahazoarivo izy omaly... • Nesorin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny tombon-jo tsy ahafahana manenjika ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena na ny "immunité parlementaire", ho an'ny Solombavam-bahoka Sahondrarimalala Marie Michelle... • Niova nanomboka androany 5 janoary ny vidin'ny solika eny amin'ny toby mpaninjara izany. Nihena 200 Ariary ny iray litatra amin'ny lasantsy, raha toa ka niakatra Ariary 10 kosa ny Gasoil...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...