• Voasambotra teny Ambohimangakely indray, ilay lehilahy tafatsoaka tao amin'ny fonjakelin'ny Kaomisaria eny Alasora nitazonana azy... • Mbola misy Sinoa tsy voakitika fa manohy ny fitrandrahana volamena, ao amin'ny Faritra Vatovavy, taorian'ny fisamborana ireo teratany Sinoa miisa dimy, hoy ny fikambanana Tafo Mihaavo... • Nihena ny isan'ireo fiara fitaterana naka fahazaon-dalana manokana hivoaka an'Antananarivo, ho an'ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny herinandro teo...
• Napetraka any amin'ny toerana azo antoka mba ho fiarovana ny ainy, ny Jeneraly Ravalomanana Richard... • Tsy maintsy alefa any amin'ny Fampanoavana mahefa, ny antontan-taratasy rehetra momba ity Jeneraly akaiky ny fitondrana ity, rehefa vita ny fanadihadiana, hoy ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Hampihatra ny lalana ho an'ireo minia manao fandikan-dalana ny Polisim-pirenena manomboka izao, fa tsy hijanona amin'ny fanentanana intsony...
• Tsy azo iverenana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, izay milaza fa manohy ny asany avokoa ny Andrim-panjakana rehetra. Fitadiavan-tseza fotsiny ny an'ireo antoko politika mitaky ny handravana ny Andrim-panjakana rehetra misy ankehitriny, hoy ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka... • Tsy mbola fotoana handraisana fanapahan-kevitra ny hamerenana ny Nosy manodidina izao, fa miandry izay Filoha vaovao voafidim-bahoaka, afaka taona vitsivitsy, raha ny namabran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Tokony hahitsy amini'zao fotoanan'ny fanavaozana izao, ny lalana mifehy ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto amintsika, hoy ny PMH, Mpanjifa Miray Hina...
♦ Fiatrehana ny fetin'ny Noely : Miova kely amin'ny andavanandro, mirona kokoa amin'ny akoho amam-borona amin'ny safidy amin'ny laoka ny fianakaviana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Hiasa hatramin'ny 10 ora alina ireo fiara fitanteram-bahoaka ao Antananarivo-renivohitra mivondrona eo anivon'ny UCTU amin'izao fety izao hoy ny filohany... ♦ Tsy tokony hisy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina mandritry ny fety mitohy hatrany mantsy ny asa famatsiana rano ataon'ireo fiara vaventy hoy ny JIRAMA... ♦ Mangataka ny mba hampitsaharana ny ady mandritry ny fetin'ny Noely ny Ray Masina Léon XIV...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco