♦ Nankalaza ny andron'ny manamboninahitra ny tafika Malagasy androany, ho fanomezam-boninahitra ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ara-miaramila, natao hanamafisana ny firahalahiana sy ny firaisan-kina eo amin'izy ireo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny Ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, sady solombavambahoaka Sahondraharimalala Marie Michèlle ny fikambanam-behivavy miara-dia sy manohana azy... ♦ Miara-miasa sy manohana ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny Hopitaly Anosiala ankehitriny ny iraka mpitsabo Sinoa ; manoloana ny ady amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina MPOX...
♦ 12 janoary ny andron'ny Manamboninahitra eo anivon'ny Tafika eto Madagasikara. Nisy ny hetsika notarihan'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Colonel Randrianirina Michaël, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, androany maraina... ♦ Tsy tokony hiala andraikitra ny Fanjakàna amin'ny fampiakaran-karama ho an'ny sehatra tsy miankina, hoy ny Fisemare... ♦ Mafampàna ny tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina... ♦ Mandravarava izay lalovany ny afo ankehitriny, any Patagonie-Argentine. Manodidina ny 15.000 Ha ny velaran-tany misy ala levon'ny afo...
♦ 23 ny isan'ireo tranga voamarina ho nendran-drajako(MPOX) ka Faritra efatra no ahitàna izany, araky ny tatitra ôfisialy... ♦ Mandray anjara amin'ny fivoriana iraisam-pirenena hiresahana ny angovo any Abu-Dhabi ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Teratany vahiny miisa roa no tratehaka raha saika hanondrana volamena sy gidro tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Manao antso avo amin'ny tokony hisian'ny dinika ho an'ny fandriam-pahalemana any Syrie sy Iran ny Papa Léon XIV...
♦ Hiroso amin'ny tetik'asa TNT Télévision Numérique Terrestre indray ny fitondram-panjakàna mijoro amin'izao fotoana izao, ahafahan'ny mpandraharaha manangana fahita lavitra sy onjam-peo ankalalahana, hoy ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina... ♦ Rariny raha nilaza ny filohan'ny Antenimieram-pirenena fa ho esorina ireo solombavambahoaka tsy tonga nivory tao anatin'ny fotoana maharitra hoy ny filohan'ny antoko ALFA... ♦ Mihaino ny sehatra tsy miankina ny Fanjakàna ary manome fanohanana hahazoana tontolon'ny fandraharahana milamina sy maharitra, nisy ny fihaonana omaly teo amin'ny FOM sy ny Ministeran'ny Indostria...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco