♦ Nampahafantatra ny olom-pirenena rehetra ny Ministeran'ny Fitsaràna fa nisy fisavana tsy ara-dalàna tao amin'ny tranon'ny Ben'ny tanàna teo aloha tao Ambohibao Antehiroka, omaly... ♦ Voafidin'ireo solombavambahoaka hisolotena ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny CENI Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, izay efa filoha lefitra teo aloha tao amin'ity vaomiera ity... ♦ Mijanona ho mpampiantrano fotsiny i Madagasikara mandritra ilay fihaonana an-tampon'ny SADC, hotanterahina amin'ny herinandro, handinihina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza... ♦ Mahatratra 89 isa ireo sivily maty novonoin'ny Vondrona ADF, tany atsinanan'i RDC...

• Manome 48 ora ireo tompon'andraikitra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, izay efa nesorina tamin'ny andraikiny, ny fitondram-panjakna ankehitriny mba hamerenan'izy ireo ny fitaovam-panjakana izay mbola ampiasainy... • Milaza ho tsy mahazaka ny ambaran'izy ireo ho tsindry sy fampihorohoroana ataon'ny Tale Jeneralin'ny CNAPMAD, ireo mpiasa sasantsasany eo anivon'ity orinasa ity... • Handray ny fihaonana antampon'ireo firenena Afrikana aty amin'ny faritra andrefana, misehatra amin'ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, isika eto Madagasikara ny 25 hatramin'ny 27 novambra 2025...

• Namoaka filazana fandraisana Lehiben'ny Faritra, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Manana hatramin'ny 28 novambra 2025 ireo maniry hanao izany... • Nisy ny fivoarana nentina teo amin'ny sehtra letisia, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana Andriamadison, nandritra ny fanokafana ny taom-piotazana tany Toamasina... • Andalam-panamboarana ankehitriny ny fotodrafitr'asa, hanomezana fanofana arak'asa ka hampidi-bola ho an'ireo voafonja, any amin'ny Faritra Amoron'i Mania...

♦ Hihatra manomboka amin'ity volana novambra ity avokoa ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana, ho an'ireo misitraka izany eo anivon'ny CNaPs... ♦ Mbola asa goavana ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara satria mijanona an-taratasy fotsiny ny ankamaroan'izany... ♦ Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho "Agent de Police". Efa azo raisina eny amin'ny ENMG kosa ny taratasy fiantsoana ho an'ireo mpiadina voasoratra ara-dalàna amin'ny fifaninanana hidirana ho mpitsara... ♦ Miteraka ady hevitra be any Frantsa, ny filazàn'i Fabien Mandon fa tsy maintsy mahafoy ny zanany i Frantsa manoloana ny ambana ady amin'ny Rosia... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...