♦ Andrasana mandritry ny fivoriana ara-potoana ho an'ireo solombavambahoaka ny fahafahana manenjika ara-pitsaràna ny filoha teo aloha Andry Rajoelina... ♦ Mitentina 1 Miliara Euro (5.000 Miliara Ariary) ny tetik'asa fampandrosoana hanohanan'ny vondrona Eraopeana an'i Madagasikara... ♦ Niray feo sy nivondrona ireo mpisehatra amin'ny fitaterana eto Madagasikara ary nanamafy fa marary ny sehatr'asa iseharan'izy ireo... ♦ Ahiana mafy ny ain'i Narges Mohammadi ilay teratany Iranianina nahazo ny loka Prix Nobel de la Paix, voatazona am-ponja any Iran araka ny fampitam-baovao nataon'ireo olona akaiky azy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...