♦ Tsy manaiky ny fanaratsiana atao amin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena amin'izao fotoana izao ireo solombavambahoaka voafidy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana. Misy ambadika politika mantsy izany hoy ny solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Ifanadiana... ♦ Hampiasaina amin'ny fiara fitanteram-bahoaka indray ny karatra mena, rehefa tsy niasa intsony ny karatra maitso. Tetik'asa hisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona fivezivezena malalaka... ♦ Kapila mangirana osoka miisa 5.000isa no nodorana tao amin'ny Fokontany Morondava kaominina Antehiroka. maro no efa voasambotry ny BAP...

• Misy tetika politika ataon'ny antoko iray manana kandida ho Filohan'ny Repoblika, ny fanenjehana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena tato ho ato, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'ny Distrikan'Ifanadiana... • Hatsaraina ny fomba fisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona ny fiara fitateram-bahoaka. Hampiarina atsy ho atsy ny sata vaovao ifanarahan'ny mpitatitra sy ny mpitandro ny filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana... • Nahitana sokatra 162 isa tao amin'ny trano fonenan'ny teratany Sinoa iray, mpitantana trano filokana na “casino”, etsy Ilaivola Ivato...

♦ Mitohy hatrany ny asan'ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI), na miato aza ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Efa niverina nanomboka ny 12 novambra teo ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-Pirenena ho an'i Madagasikara, tetik'asa miisa 24 no voakasiky ny famatsiam-bola mitentina 4 miliara Dollar... ♦ Namoaka filazana loza manambana, miloko mavo, ho an'ny lemak'Antananarivo lalovan'ny renirano Sisaony ny APIPA, tamin'ny 8 ora maraina teo... ♦ Fanirian'ny Papa Léon-XIV amin'ny fitsidihana firenena manaraka ny hamangy firenena afrikàna, isan'izany ny any Algérie...

♦ Vonona hitondra ireo porofo manamarina ny fisian'ny olona an-tapitrisany mitovy laharana kara-panondrom-pirenena tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2020, Andriamatoa Thierry Rakotonarivo... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, rahampitso alakamisy 4 desambra, ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna 2026 (PLFI)... ♦ Mpianatra miisa 30 no traboina tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny Bloc-92 teny amin'ny Cité ho an'ny mpianatra Ambohipo, miantso tolo-tanana hanarenana haingana ny trano fonenany izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...