♦ Voasambotry ny zandary ary hanaovana fanadihadiana ao Maevantanana ny solombavambahoakan'i Madagasikara teo aloha Rahantanirina Nina sy ny zanany lahy... ♦ Vonona hiatrika ny rivo-baovao amin'ny fiovana ara-pitaovana sy hanatsara ny tolotra omena ny mpikambana ny Tahirim-pirenena ho an'ny Fiahiana ara-tSôsialy (CNaPs) ho an'ny 70 taona ho avy... ♦ Kely ny fanantenana ho an'ny ekipam-pirenena Malagasy Barea afahana mandray anjara amin'ny lalaon'ny CAN 2027, nisaraka ady sahala 01 no ho 01 ny lalao nifanandrinany tamin'ny ekipam-pirenen'i Tanzanie...

♦ Nomarihana androany ny ivon'ny faha-10 taona Centre hospitalier Privé Saint Benoît Menni eny Imerintsiatsosika... ♦ Misokatra amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vokatry ny fiompiana sasany eto Madagasikara, afatsy ny omby. Isan'izany ny tantely... ♦ Tsy afa-bela tamin'i Ekipam-pirenen'i Tanzanie indray ny Barea an'i Madagasikara, nisaraka ady sahala ny lalaon'ny roa tonta androany, tamin'ny lalao andro faharoa tafiditra amin'ny fifanintsanana CAN 2027... ♦ Mbola mandrahona ny handaroka baomba ireo foto-drafitr'asa any Moyen-Orient i Iran...

♦ Hiatrika lalao faharoa amin'ny fifanitsanana handehànana any amin'ny CAN 2027 anio hariva ny Barean'i Madagasikara. Lalao hifandonan'i Madagasikara amin'i Tanzania ao amin'ny stade d'honneur de Maknès any Maroc... ♦ Mila havaozina ny fanaovana pôlitika eto amin'ny firenena, ka tokony hirosoana ny dinika pôlitika hoy ny antoko RPSD. Nanao sonia ilay sata fitondran-tena ho an'ny dinika pôlitika novolavolain'ny VMFR ity antoko ity... ♦ Miantso vonjy manoloana ny savorovoro ara-piaraha-monina misy ny mponina any Ankililoake distrikan'i Toliara-II. Savorovoro nandritry ny lanonana "savatsy" niafara tamin'ny doro tanàna...

♦ Mivahiny mandritry ny 13 andro eto Madagasikara ny lehibe maneran-tanin'ny fikambanan'ny Masera "Fille de Marie Auxiliatrice" Notsenaina tamin'ny fomba miavaka tetsy Ivato omaly izy... ♦ Volavolan-dalàna 6 misy fiantraikany amin'ny fiainana ara-tsôsialy sy toe-karen'ny malagasy no nankatoavin'ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Tsy tontosa hatramin'ny farany ilay fifaninana fanamoriana moto "Imerinkasinina Race Cup". Nitondra fanazavana momba ny zava-nitranga ny sabotsy teo ny avy amin'ny mpikarakara, omaly... ♦ Mikasa ny hivarotra fitaovam-piadiana amin'i Chine i Etazonia...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...