♦ Nampahafantarin'ny CENI androany, ny vokatra vonjy maika tsy mbola ôfisialy, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny 29 mey 2024. Nahatratra 48% mahery ny taha-pahavitrihan'ny mpifidy... ♦ Mbola mila manao ezaka i Madagasikara amin'ny fampiasana zezika amin'ny voly vary... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko androany i Mali sy i Madagasikara tatsy Johanesburg Afrika Atsimo, nandritra ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026...

♦ Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika eny amin'ny Foibeny eny Alarobia ny CENI nanomboka ny maraina teo. Nahiliny any amin'ny HCC ny fanapahan-kevitra momba ireo fitoriana tsy fahatomombànana sy tsy fanarahan-dalàna samihafa... ♦ Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly ny amin'ny solontenan'ny Sendikà mitondra ny fitakian'ny mpiasa malagasy amin'ny Foiben'ny OIT any Génève. Mandika ny lalàna velona ny Ministeran'ny asa tamin'ny nanendrena izany solontena izany, hoy izy ireo... ♦ Hiatrika ny fifanitsanana "Mondial 2026" amin'i Mali indray anio tolak'andro ny Barean'i Madagasikara. Karazana lalao famaranana io lalao io hoy i Titi Rasoanaivo, ary tsy misy ifandraisany amin'ny endri-dalao tamin'ny Comores mihitsy...

♦ Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka teo ny CENI anio. Arahin'ny maro ny mety hisian'ireo fitsimbadihana, oharina tamin'ny fironam-bokatra nivoaka farany... ♦ Samy namoaka fanambaràna omaly ny vovonana pôlitika IRMAR sy ny kôlektifa an'ny Malagasy, noho ny zava-misy taorian'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny Tsimbazaza ny lalàna momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2024. Tsy nisy ny nitsipaka izany ireo solombavambahoaka 64 nanatrika ny fivoriana itambaram-be... ♦ Tsy niandry ela fa hanomboka sahady ny zotra-pifidianana amin'ny fifidianana solombavambahoaka mialohan'ny fotoana any Frantsa...

♦ Miantso ny olom-pirenena tsy haniky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato hakana fahefana, ny kandidà Solombavam-bahoakan'ny Kôlektifan'ny Malagasy... ♦ Melohin'ny kandidà Solombavam-bahoaka IRMAR ny filazana fa nisy ny hala-bato nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, kanefa tsy mitondra porofo any amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, ireo izay niharan'ny hala-bato... ♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...