♦Notanterahana teny amin'ny Ekar Md François Xavier Antanimena ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François. Natsoin'Andriamanitra hankalaza ny Paka any aminy ny Papa hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz GRYZA... ♦ Hotanterahana anio etsy amin'ny CCI, ety Ivato ny fihaonana an-tapony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI... ♦ Mivahiny eto Madagasikara ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Isany voaresaka tamin'ny fihaonana teny Iavoloha ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy...

♦ Tontosa teny amin'ny Ekar Masindahy François Xavier Antanimena androany maraina ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François... ♦ Isany voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy Filoha Malagasy Andry Rajoelina teny amin'ny Lapan'i Iavoloha androany, ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy ; ankoatr'izay dia fifanaraham-piaraha-miasa enina no vita sonia... ♦ Mpitandro ny filaminana maherin'ny 2.000 no ahetsika amin'izao fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI izao ; nambaran'ny eo anivon'ny Emmo fa handraisana fepetra ireo mikasa hanakorontana...

♦ Ny sabotsy izao no fotoam-pandevenana ny Papa François, taorian'ny fodiamandriny. Efa voafaritra ihany koa ny daty hanatanterahana ny "conclave" hifidianana izay Papa handimby azy... ♦ Voalahatra anatin'ny lahadinika ny resaka "îles éparses" amin'ny fihaonan'ny filoha Malagasy sy Frantsay, rahampitso. Nampahafantatra izany ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena, omaly... ♦ Miasa toy ny isan'andro ny mpitatitra olona sy entana manerana an'i Madagasikara, rahampitso sy ny Alakamisy izao, hoy ny Ministeran'ny Fitaterana... ♦ Manao ranolava ny fanehoana fiaraha-miory voarain'i Vatican, noho ny fahafatesan'ny Papa François. Misaotra 7 andro ny any Argentine, niaviany...

Manjombona ary misaona ny Fiangonana Katôlika, nodimandry teo amin'ny faha-88 taonany, omaly alatsinainy maraina 21 avrily 2025, ny Papa François. Notsaboina nandritra ny 38 andro tao amin'ny Hopitaly Gemelli, noho ny aretin'ny taovam-pisefoana. Mirakitra ho tantaran'i Madagasikara, tsy ho hay adinoina ny famangian'ny Papa François tamin'ny taona 2019, izay nankaherezany ny vahoaka Malagasy hiady amin'ny kolikoly sy ireo endrika rehetra mampizarazara, manohitohina ny soatoavin'ny Fihavanana Malagasy. 12 taona izao no nitondran'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...