♦ Nanangana tetik'asa hanamafisana ny fiaraha-mientana rehetra hanatsikafonana sy iadiana amin'ny fomba fanao mampahantra ny firenena ny CCOC sy ny firaisamonim-pirenena miisa 11 miara-dia aminy... ♦ Tsy mifandanja ny vola miditra sy ny mivoaka amin'ny tantsaha mpamokatra noho ny fihenan'ny vidin'ny vary akotry andraisan'ny mpanangom-bokatra azy. Miantso ny hampidinana ny vidin'ny PPN ny mpamokatra hamahana ny fahasahiranan'izy ireo... ♦ Omena lanja misimisy kokoa ny teny Malagasy manomboka izao. Nolanian'ny solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny Teny Malagasy...