♦ Hiroso amin'ny tetik'asa TNT Télévision Numérique Terrestre indray ny fitondram-panjakàna mijoro amin'izao fotoana izao, ahafahan'ny mpandraharaha manangana fahita lavitra sy onjam-peo ankalalahana, hoy ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina... ♦ Rariny raha nilaza ny filohan'ny Antenimieram-pirenena fa ho esorina ireo solombavambahoaka tsy tonga nivory tao anatin'ny fotoana maharitra hoy ny filohan'ny antoko ALFA... ♦ Mihaino ny sehatra tsy miankina ny Fanjakàna ary manome fanohanana hahazoana tontolon'ny fandraharahana milamina sy maharitra, nisy ny fihaonana omaly teo amin'ny FOM sy ny Ministeran'ny Indostria...

♦ Tonga niarahaba ny filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara ny Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ireo mpanolo-tsaina avo miara-miasa aminy ; teny lapam-panjakàna Iavoloha ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara, omaly, zoma 9 janoary 2026, noho ny fahatratrana ny taona vaovao... ♦ Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalàna misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana atao, raha ny nambaran'ny ministry ny serasera sy kolontsaina omaly... ♦ Hanampiana ireo tanora mitady asa sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny 6 volana ny "plate forme numerique nationale pour l'Emplois" (IZAHA ASA)... 

• Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalana misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana hatao, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina androany... • Hanampiana ireo tanora mitady asa, sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny enim-bolana ny “Palteforme numérique nationale de l'emploi - IZAHA ASA”, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Tokony avahana ny fikaonan-doha politika fototra, hirosoana amin'ny fandinihana ny lalam-pifidianana, sy ny fikaonan-doha ho an'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosialy, hoy ny antoko ALFA...

• Efa eo am-panandramana ilay fitaovam-pandrefesana ny singa mandrafitra ny toetry ny andro mahaleotena, novokarin'ireo injeniera malagasy, ny Météo... • Ny toe-tsaina izay tsy mifampitsinjo amin'ny ady sarotra, no nambaran'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa antony nampidangana tampoka ny vidin'ny arovava sy orona... • Ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin'ny samy Malagasy ho fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena, izay lalana hizorana any amin'ny fifidianana, hoy ny Minisi-panjakana Hanitra Razafimanantsoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...