♦ Aoka tsy ho diso ady hatrehana ny tsirairay hoy ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana (Justice et Paix) eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny hanankinana amin'ny FFKM ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ I Sénégal no nibata ny amboara ho an'ny lalao Afrikanina (CAN) 2025. Nifarana hatreo ny lalao fifaninana CHampionnat d'Afrique des Nations (CHAN) ary nosoloina ho Ligue des Nations Africaines...

♦ Mahazo vahana ankehitriny ny fitakiana ny hisian'ny lalana mazava hizoran'ny firenena. Mitaky tondro-zotra momba ny fanavaozana tian-katao eto Madagasikara ny tanora nandray anjara tamin'ny tolona. Mitaky ny handravàna ny andrim-panjakàna misy eto amin'ny firenena ihany koa ny mpanao pôlitika... ♦ Tsy eken'ny Fikambanana MIG-21 (Mijoro ho an'i Madagasikara) tsara ny roa noh ny iray ny hampiantranoana ireo vahiny mpifindra monina kasain'ny amerikana hampidirina eto Madagasikara... ♦ Nahazo fitaovam-pamokarana hanohanana azy ireo amin'ny famokarana manaja tontolo iainana avy amin'ny fitondrana ireo tantsaha ao Bas-Mangoky, Faritra Atsimo-Andrefana...

♦ Nihaona tatsy Afrika-atsimo, omaly, ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny filoha afrikana tatsimo Cyril Ramaphosa... ♦ Nosoniavin'ny mpanao pôlitika nandray anjara tamin'ilay dinika natao teny Ankorondrano ny fifanarahana pôlitika narafitry ny KFIM. Takiana ny handravana ny andrim-panjakàna sy ny fanafoanana ny lalam-panorenan'ny repoblika fahaefatra... ♦ Valaran'aretina MPox, Faritra miisa 17 no ahitàna olona mitondra ny soritr'aretina. Miisa 78 ny tranga voamarina tamin'ny alalan'ny fitiliana natao miisa 154...

• Voarafitra anaty fifanarahana politika ireo hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-dohan'ny antoko politika, ny tapaky ny volana desambra teo. Antoko maherin'ny zato no nanao sonia io fifanarahana io teny Mahamasina androany... • Mbola ho sarotra ny dingana ho lalovana vao hanan-kery tanteraka ny lalana manalava ny AGOA, ho an'ireo firenena afrikana hisitraka izany, ka isan'izany i Madagasikara, hoy ny mpahay fitantanana sy toekarena, ny Profesora Ralison Roger... • Hanatsara zavatra ny nametrahana Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anvion'ny orinasa JIRAMA, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Tokony ho hita manomboka izao ny fanavaozana ity orinasam-panjakana ity, ka ao anatin'izany ny fanovana ny fomba fitantanana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...