• Tao amin'ny Kaominina Belafika, Distrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'i Ewetse tamin'ny 3 ora tolakandro, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo, tamin'ny 4 ora tolakandro... • Hiroso amin'ny fisoratana biometrika isika eto Madagasikara manomboka izao. Hisitraka izany avokoa ny olom-pirenena Malagasy rehetra feno 18 taona no mihoatra, ho fanavoazana ny fiankohonana sy ny fahizina... • Omena lanja manomboka izao ny fikarohana, mba tena hipaka any amin'ny fandrosoana. Tontosa androany teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa momba izany...
♦ Tsy tafiditra ny toeram-piasàny teny Ambohidahy nanomboka ny maraina teo ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC)... ♦ Mampatahotra ny fomba fanao pôlitika eto Madagasikara satria tsy mifototra amin'ny tsy fanarahan-dalàna ny fanenjehana olona hoy ny Filoha Lefitra fahafito avy amin'ny fanoherana eny anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manao fitokonana fanairana ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana, tsy nahitam-bahaolana mantsy ny dinika niarahan'izy ireo sy ny tompon'andraikitra...
♦ Hiditra an-tanety eo anelanelan'i Anakao sy Androka any Ampanihy anio maraina eo anelanelan'ny amin'ny 9 ora hatramin'ny 12ora antoandro ilay rivodoza Ewetse... ♦ Nankatoavina am-bava nandritry ny filan-kevitry ny ministra omaly talata faha-20 ny volana janoary ireo tetiandrom-panadinam-panjakàna vaovao, tanterihana ny volana jona ihany ny fanadinana CEPE raha ny volana jolay kosa ny BEPC sy ny Bakalôrea... ♦ Jiolahy miisa enina no lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI (Saka Maity), teny Ambohijanaka-Atsimondrano ny alin'ny alatsinainy 19 janoary 2026, teo...
• Namoaka ny vokatry ny fanadihadiana andiany faharoa momba ny tontolo politika, ny toekarena ary ny sosialy, ny firaisamonim-pirenena CCOC. Nivoitra tamin'izany fa tsy mametraka ny fitokisany amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ny olom-pirenena nanontaniana tao Antananarivo Renivohitra... • Miisa 374 ny fitambaran'ny trangan'ny MPOX hita hatramin'ny omaly alatsinainy. 263 amin'ireo no tranga ahiana ary 111 no tranga voamarina... • Handao an'i Madagasikara tsy ho ela ny ambasadaoro amerikana, Ramatoa Claire Pierangelo. Nanao veloma ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lapam-panjakana Ivoloha, izy androany...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco