• Namaly bontana ny tsikera atao amin'ny fitondrana, androany ny Filohan'ny Repoblika. Tsy olom-bitsy amin'ny tambajotran-tserasera 10 na 14  akory, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanakorontana eto fa efa mahatsapa ny ezaka ataon'ny fiondrana ny Malagasy... • Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny mpitarika ny RMDM. Nametra-panontaniana izy ireo hoe : “Iza marina no tena tompon'ireo Boeing miisa 5 nomena laharana malagasy lasa any Iran ?”... • Nandray ny fitarihana sy ny fandrindrana ny Komitin'ny fitantanam-bola eo anivon'ny SADC i Madagasikara nanomboka androany. Mitarika izany mandritra ny herintaona ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy...

• Nisehoana horohorontany teto Antananarivo sy ny manodidina androany tolakandro. Heverina ho tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe no nisy ny foibeny ary nahatratra 4,5 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny... • Tsy nisy olona hafa intsony hatramin'izao, nampahafantarina fa hatao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, tao aorian'ny nisamborana ireo roalahy ahitana teratany Indiana... • Misy ary ampy ny tahirim-bakisiny BCG eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra fanazavana momba ny famatsiana io karazam-bakisiny io eto amintsika izy androany...

♦ Misy tombony ho an'i Madagasikara ny maha mpikambana azy ao amin'ny SADC hoy ny PMH. Ahafahana manafatra ny sakafo hanampiana ireo filàna andavanandro ny tsena ao aminy hoy ny filohany Andry Razafindralambo... ♦ Tokony arahana an-tsakany sy an-davany hoy ny Transparency International Initiative Madagascar ny tsy fandoavana saram-pianaran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakàna, isorohana ny mety ho trangana kolikoly aterak'izany... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny androany. Ny fikarohana lalam-barotra no antony voalohany iakaran'ny tantsaha sy ny mpandraharaha eny ambanivohitra eto an-drenivohitra...

♦ Hanatevin-daharana ny fikambanana Gasy Tompon'ny Taniny ireo ray aman-dreny ao amin'ny ARFM ahafahana manohy hatrany ny tolona efa natomboka. Tolona hanavotana ny tanindrazana sy hamerenana ireo nosy 5 miparitaka an'ny Malagasy... ♦ Madagasikara no mitantana ny kômity maharitra ho an'ireo mpiasam-panjakàna ambony ao amin'ny SADC nanomboka izao. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo amin'ny sekretera jeneralin'ny Ministeran'y raharaham-bahiny Malagasy sy Simbaboena... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny anio. Fahombiazana ny andro voalohany. Tonga marobe teny amin'ny kianja Makis Andohatapenaka ny mpitsidika...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...