♦ Niatrika ny fivoriambe, ara-potoana voalohany amin'ity taona 2022 ity, teto Antananarivo ny Vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana, voarakitra tao ny hafatra ho amin'ny dinika an-databatra boribory hamahana ny olana misy eto Madagasikara... ♦ Nandray anjara nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fivorian'ny fikambanan'ny parlemantera francophone aty Afrika ny filohan'ny Senat, Razafimahefa Herimanana... ♦ Nifarana ny atrik'asa momba ny fitantanana mpiasa ho an'ny tafika an-dranomasina Malagasy...
♦ Mila tanterahana eto amintsika ny dinika an-databatra boribory anasana ny ankolafin'olona tsy ankanavaka mba ahafahana mifampihaino hoy ny tolo-kevitry ny Vaomieran'ny Eveka momba ny "Justice et paix", hisorohana ny savorovoro... ♦ Nitaky ny vatsiim-pianarana mbola tsy voaloa ihany koa ny mpianatra eny Ankatso taorian'ny teny Vontovorona... ♦ Maro ireo hirika hitan'ny Transparency International eto Madagasika mety hahatonga ny kolikoly ami'ny sehatry ny Jono an-dranomasina...
♦ Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso teny Ankatso androany. Nitokona ny ampahany tamin'ireo mpianatra teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, nitaky ny vatsim-pianarana... ♦ Hanorina farihy artifisialy lehibe, hitehirizana rano amin'ny faritra roa ambin'ny folo eto Madagasikara ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana... ♦ Tsy handefitra amin'ireo olona mpitrandraka na mpanondrana antsokosoko ny harem-pirenena ny ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana...
♦ Miankina tanteraka amin'ny fivoriam-ben'ny CSM ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny raharahan'ny Minisitra teo aloha, Imbiki Herilaza... ♦ Mitondra fanampiana ho an'ireo ray aman-dreny amin'ny fikirakirana ny antonta-taratasin'ireo mpanala fanadinana, ny CISCO Antananarivo Renivohitra... ♦ Mbola mahatsiaro tena ho adino hatrany ny Distrikan'Ikongo tao aorian'ny takaitra navelan'ny rivodoza...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco