♦ Nisitraka famatsiambola 100 tapitrisa Dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hanatsaràna ny tontolon'ny fahasalamana i Madagasikara, famatsiambola tsy averina ny 50 tapitrisa Dolara... ♦ Notoloran'ny governemanta amerikana 5 tapitrisa Dolara amin'ny alalan'ny USAID hanohanana ireo olona niharam-boina tamin'ny rivo-doza tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy i Madagasikara... ♦ Hifarana rahampitso ny fotoana ahafahan'ny oniversite mifidy izay ho filohany. Ho an'ny eto Antananairvo androany no notanterahana ny fifidianana ary ho fantatra anio hariva ny vokany raha tsy misy ny fihovana...

♦ Voatendry ho tale kabinetra sivily eny anivon'ny fiadidiana ny repoblika, mandimby an-dRamatoa Lovahasiniriana Ranoromaro lasa talen'ny serasera Ramatoa Baomihavotse Vahinala Rahariniriana, ministry ny tontolo iainana teo aloha... ♦ Nidina an-dalambe naneho ny alahelony sy ny hatezerany ny mpianatry ny EN3 Ampefiloha Oniversite Antananarivo. Tsy mbola nahazo ny vatsim-pianarany 5 volana... ♦ Hanamafy ny fiaraha-miasa hanabeazana ireo ankizy voafonja ny ministeran'ny Fitsaràna sy ny UNICEF, resaka nivoitra nandritra ny fitsidihan'ny solontenan'ity farany eto Madagasikara tao amin'ny Ministry ny Fitsaràna...

♦ Hampiato tanteraka ny asa aman-draharahany manomboka amin'ny alatsinainy izao ny Sendikàn'ny Mpiasa Mpandraharaha "SPATUT" eny amin'ny Oniversite Antananarivo... ♦  Andrasana ireo fepetra ho raisin'ny fitondram-panjakàna manoloana ny tontolon'ny fizahan-tany any Nosy-Be... ♦ Miantso ny filohan'ny repoblika handray anjara amin'ny  fifidianana manaraka ny antoko Freedom...

♦ Iharan'ny fandevozana avokoa ny 41% amin'ireo malagasy miasa any amin'ny tany Arabo, araka ny vokatry ny fanadihadiana nampahafantarin'ny EC FORM... ♦ Ho apetraka amin'ny talata ho avy izao ny fameran'ny fitondram-panjakana ny farany ambony amin'ny vidin'ny entana ilaina andavanandro "PPN"... ♦ Manomboka mandamina ny olan'ireo mpiasa ny fiadidiana ny tanàna ao Toamasina. Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny mpanatanteraka sy ny mpanolon-tsaina ao amin'ny Kaominina Mahajanga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...