♦ Nanao hetsika androany ny solontenan'ireo fokontany enina, voakasik'ilay tetik'asa Tana-Masoandro eny Imerintsiatosika. Mitaky ny tsy hikitihana ny taniny izy ireo, nefa mitaraina fa kononkononina hosamborina ny mpitarika... ♦ Miantso ny Fitsarana mba tena hitana ny fahamarinana ny fianakavian'ireo ankizilahy kely roa nitsahan'ny fiara teny Tsarasaotra... ♦ Miandry ny fanatanterahana ny vahaolana naorosony, manoloana ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

♦ Tanterahana any Antsirabe mandritra ny telo andro ny atrik'asam-pirenena hanatevenana ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa nosoniavin'i Madagasikara... ♦ Tsy tokony hisy fiatraikany goavana ara-toekarena eto amintsika ny ady any Ukraine raha manana paik'ady mazava hiatrehana izany i Madagasikara hoy Andriamatoa Mohamady Sakra... ♦ Miisa roa ireo kandidà hifaninana eo amin'ny toeran'ny  filohan'ny Oniversite Antananarivo. Mbola vonona ny hanohy ny asa fanatsarana efa natombony ny fioloha amperin'asa, ny Pr Ravelomanana  Mamy...

♦ Tsy nisy niaino tamin'ny fitarainana sy ny fitakiana nataony ny mpandraharahan'ny fahasalamana any amin'ny hôpitaly samihafa ka nitokona mitaky ny zony izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Hampanjaka ny oniversite maty mandritra ny roa andro ny sendikan'ny SECES amin'ny volana avrily izao. Tsy eken'izy ireo ny fandavan'ny HCC ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny oniversite... ♦ Météo : Hitombo 1,5°C ny maripana eto Madagasikara amin'ny taona 2030, raha tsy misy fepetra hisorohana izany...

♦ Niroso tamin'ny fitokonana faobe nanomboka androany ny sendikan'ny mpiasa mpandraharahan'ny fahasalamana. Mandrahona ny hanao Oniversite maty kosa ny SECES... ♦ Feno 99 taona androany ny Antilin'i Madagasikara, marolafy ireo hetsika nanamarihana izany... ♦ Ho tratran'i Madagasikara ny fiakaran'ny maripana amin'ny fetra 1,5°C, raha toa ka tsy misy ny ezaka matotra sy mirindra eto amintsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...