♦ Voaresaka nandritra ny fihaonan'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha Andry Rajoelina, androany tolakandro, ny mikasika ireo Nosy manodidina na ireo "Iles éparses"... ♦ Tao aorian'ny fanatanterahana ny fihaonam-ben'ireo mpandraharaha avy amin'ny tany mampiasa ny teny frantsay, dia nanapa-kevitra ireo mpandraharaha nandray anjara fa tsy hiandriandry izy ireo fa misy avy hatrany ny drafitr'asa napetraka hatao ato anatin'ny telo volana...
♦ Naneho ny heviny ny lehiben'ny Governemanta, amin'ny toe-draharaha pôlitika eto amintsika. Tokony avela hiasa aloha ny Governemanta, vao misy fanakianana, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Any amin'ireo mpanolotsain'ny tananan'Antananarivo ny fanapahan-kevitra farany momba ny asan'ireo "Taxi moto", ao an-drenivohitra. Miteraka resa-be izy ity, milaza ny tsy manana tanjona hanome alalana ho azy ireo ny Ben'ny tananan'Antananarivo...
♦ Hisy vidin'entana vaovao tokony hihatra eny an-tsena manomboka ny volana septambra izao. Nambara androany ohatra, fa tsy tokony hihoatra ny 6000 ka hatramin'ny 7000 Ariary ny litatra amin'ny menaka eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 25000 no efa vita vakisiny Astrazeneca andiany faharoa tao anatin'ny tapa-bolana. Efa maherin'ny 3000 koa no nisitraka ilay vakisiny vaovao Johnson and Johnson, ka anisan'ny nitsindrona izany ny Praiminisitra...
♦ Vinavinaina hisokatra amin'ny volana oktobra izao ny sisin-tanin'i Madagasikara, miankina amin'ny fivoaran'ny valan'aretina amin'ireo firenena mifandray amintsika... ♦ Maimaimpoana ny fanatrehana ny lalao eo amin'ny Barea sy ny ekipam-pirenen'i Bénin ny 02 septambra ho avy izao... ♦ Hanomboka amin'ny 27 septambra izao ny dingana faharoa amin'ny fifaninana hididrana ho mpiofana ho mpandraharahan'ny fonja, any amin'ny ENAP ao Antetezamabaro-Toamasina...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco