♦ Nanova ny fomba fijeriny momba ny asa fitrandrahana fasi-mainty ataon'ny Orinasa Base-Toliara ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny ankamaroan'ireo olona nanohitra ny asa fitrandrahana, roa taona sy tapany taorian'ny fampihatoana ny sehatr'asan'izany orinasa izany tao Toliara... ♦ Nahaliana ireo tantsaha sy izay misehatra manokana amin'ny sehatry ny fiompiana ny andro natokan'ny Malagasy Professionnel d'Elevage na ny MPE nivoizana ny lafiny teknika momba ny fiompiana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Fifindramonina anatiny : Tsy nisy afa-tsy ny famahana ny olana eny ifotony amin'ny faritra hisian'ny fifindra-monina ihany no vahaolana, tsy hisian'izany eto amintsika hoy ny antoko Otrikafo...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...