♦ Manan-trosa 375 miliara Ariary any amin'ny fanjakàna, vokatry ny tsy nandoavana vidin'herinaratra ny orinasa Jirama. Vola maherin'ny 100 miliara Ariary ihany koa no tsy niditra, noho ny halatra nataon'ny 30%ny mpanjifa, araka ny tatitry ny filan-kevi-pitantanan'ny Jirama... ♦ Mitaraina ny Federasiôn'ny mpampiasa rano fa tototry ny fako avokoa ny ankamaroan'ireo lakan-drano mpamatsy ny lemak'Antananarivo. Miantso ny fahatongavan-tsain'ny rehetra izy ireo, manoloana izany olana goavana izany... ♦ Mpiadina 8 mianadahy no tsy afaka hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalôrea any Antsiranana. Nisy nanolo anaran'olon-kafa ny antotan-taratasim-panadinan'izy ireo, araka ny fitarainan'ireo ray aman-dreny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...