♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hanao tombana ny asa vitan'ireo ministra, Andriamatoa Andry Rajoelina, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Mamita iraka eto Madagasikara ny talem-paritry ny FIDA aty Afrika atsinanana sy atsimon'i Afrika, Ramatoa Mbango-Bhunu, fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fampiroboroboana ny asa famokarana eny ambanivohitra... ♦ Hitondra ny raharaha any amin'ny BIANCO ny Randrana sendikaly raha misy tokoa ilay famoahana vola be tao amin'ny CNaPs, niparitaka tao amin'ny tambazotra sôsialy...

♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hatao ny tombana araka ny asa vita, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Nitsidika ny filohan'ny antenimeram-pirenena ny filohan'ny Ceni. Nifantohan'ny dinika ny momba ireo volavolan-dalàna tokony apetraka momba ny fifidianana... ♦ Hoamafisina ny fiarovana ny ala honko eto Madagasikara. Maherin'ny 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola atolotry ny governemanta alimana...

♦ Misy amin'ireo sekoly tsy miankina no mitaraina amin'ny fahataran'ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina hiatrika fanadinam-panjakana... ♦ Tsy tokony ampitoviana ny firaisan-kinan'ireo firenena mitsipaka ny fanafihan'i Russie an'i Ukraine, sy ny tsy fisian'ny firenena manohana an'i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo Nosy Malagasy, hoy ny Vondrona Eorôpeana... ♦ Trano fitopolo tafo no noravana androany maraina, tany Ambalamanasy Toamasina...

♦ Vola 100 000 dôlara avy amin'ny vahoaka Amerikana, no natolotry ny USAID hanampiana malagasy traboina, hatrany amin'ny 9 000 isa... ♦ Tsy mbola nahazo onitra ny amin'ny trano horavaina sy ny tanimbariny ho ampiasaina amin'ny fanamboaran-dalana any Ankililaoky ireo mponina any anefa afak'omaly ny fotoana nomena azy ireo handrodanana izany. Miantso vonjy amin'ny fitondram-panjakana ireo olona lasibatra... ♦ Mafampana amin'ny resaka fakana ankeriny sy ny asan-dahalo indray ny tapany avaratry ny kaominina Ankazobe izay mifanila sisin-tany amin'ny distrika Anjozorobe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...