♦ Tafakatra 19 isa, hatramin'ny 11 ora atoandro teo, ny isan'ireo nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena eny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenena...  ♦ Hijery akaiky ny raharaha ara-potolitka eto Madagasikara indray, manomboka izao, ny eo anivon'ny OIF taorian'ny fanaraha-maso ny fanomanana ny fifidianana izay nataon'ny iraka manokana. Azo antoka hanatanterahana ny fifidianana hoy izy ny lisitry ny mpifidy... ♦ Mihena hatrany amin'ny 98% manomboka izao ny hetra haloa eny amin'ny fadin-tseranana rehefa hanondrana entana any Chine ny mpandraharaha Malagasy... * Lasibatry ny fandalovan'ny rivodoza indray i Bresil. Miisa 21 hatramin'izao ny voamarina fa namoy ny ainy...

♦ Hifarana anio hariva amin'ny 6 ora ny fahafaha-manatitra ny antotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena, hivoaka amin'ny sabotsy izao ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra, ho fidiana amin'ny 9 novambra 2023... ♦ Miisa 17 ny kandidà nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC hatramin'ny omaly hariva...♦ Tokony hotohizana ny sa vitan'ny filoha Andry Rajoelina tao anatin'ny fe-potoam-piasana voalohany iny hoy ny antoko TGV, ka miantso azy ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny faha 9 novambra ho avy izao ny mpikambana, araka ny fehin-kevitra tamin'ny famaranana ny kôngresin'ny antoko omaly...

♦ Natao teny amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, ny Sorona Masina nanaovan'ny Diôsezin'Antsirabe ny fangatahana an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina ho Evekan'io Diôsezy io, araka ny fomban'ny Eglizy... ♦ Miisa 17 ireo kandidà nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Filoham-pirenena amin'ny 9 nôvambra 2023, eny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Mangataka ny firotsahan'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filoham-pirenena amperin'asa, ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 9 nôvambra 2023, ny antoko TGV...

♦ Tsy misy mahasakana ny hetsi-pitakiana ataon'ny sendikà SECES izay fitakiana voaaron'ny sata ary am-pilaminana hoy ny sendikà androany teny Ankatso... ♦ Ezahana hiakatra 10% isan-taona ireo mpianatra misitraka ny fampisakafoana an-tsekoly. Efa maherin'ny 1.000.000 isa izy ireo ankehitriny... ♦ Manao antso avo amin'ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena ny fianakavian'ireo roalahy voalaza fa maty notifirin'ny zandary tany amin'ny Kaominina Bebaboka, distrikan'i Maintirano...♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny fihaonana eo amin'ny filoha Russe sy ny filoha Koreana tavaratra ny Amerikana, manoloana ny ady any Ukraine...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...