♦ Niato nandritra ny fito ora ny fivoriana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany. Heverina fa ho tanteraka anio alina ihany ny fanakatonana ny fivoriana ara-potoana voalohany... ♦ Voafidy ho mpikambana handrafitra ny HCEDED, Filankevitra ambony miaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna, solontena avy amin'ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa Zafilaza... ♦ Kendrena hiakatra hatrany amin'ny 30% ny vola ampidirin'ny indostria ao amin'ny arin-karena faobe eto Madagasikara, any amin'ny taona 2040, amin'ny alalan'ilay fifanarahana ara-indostria eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina...
♦ Namoaka fehin-kevitra amin'ny hananganana Kômitin'ny Fanavotam-pirenena ny RMDM, izay namory ireo antoko ivelan'ny fitondrana ankehitriny... ♦ Namoaka fehin-kevitra ho fanarenam-pirenena amin'ny alalan'ny “Cellule de crise” koa ny SECES Sampana Antananarivo... ♦ Tsy nahazo fankatoavana ka natsahatra tamin'ny asany, ireo mpitari-dia teo aloha, eny amin'ny Rovan'i Madagasikara...
♦ Nametraka fitoriana ny Filoham-pirenena teny amin'ny Fitsarana Anosy androany, ny fikambanana ADDM. Fitoriana, tohin'ilay raharaha zom-pirenena frantsay... ♦ Tsy tanteraka androany ny fikasana hanongana ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena. Ny tolak'andro teo vao saika hivory ireo filoham-baomiera. Nody maina ireo Minisitra tonga hihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka teny an-toerana... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny ambara fa fanararaotana ny mpanjifa amin'ny tontolon'ny “Mobile Banking”, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH sy MCI...
♦ Manao tomban'ezaka ny enim-bolana voalohany amin'ity taona ity mandritra ny fivoriana tanterahana eto Antananarivo ireo manamboninahitra eo anivon'ny Tafika Malagasy. Fanambin'izy ireo amin'ny enim-bolana faharoa ny hanatsara hatrany ny fandriam-pahalemana... ♦ Fanaovana antsojay ny mahazo ny mpitantana vonjy maika sy ny sendikà ao amin'ny CNaPs hoy ny vondron'ny Sendikan'ny Mpiasa... ♦ Mandry tsy lavoloha ny mponina any amin'ny Fokontany ao amin'ny ilan'ny andrefan'ny Kaominina Mandiavato, Distrikan'i Miarinarivo, Faritr'i Itasy amin'izao fotoana izao noho ny afitsoky ny asan-jiolahy... ♦ Maneho ny tsy fahafaliana tamin'ny tifitra nataon'ny pôlisy ani'ilay tovolahy 17 taona ny talata teo ny mponina any Frantsa...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco