♦ Nitohy androany ny fanakatonam-baravarana fampitsaharana ny asa ataon'ireo mpiasan'ny CNaPS manerana ny nosy. Hetsika hitohy mandram-pivalin'ny fitakian'izy ireo, hoy ny “délégués” sy ny sendikan'ny mpiasa... ♦ Namoaka fanamabrana ny Holafitry ny vadin-tany androany, fa mikatona avokoa ny birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy rahampitso... ♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato mandritra ny roa andro ny Vovonam-pirenena ho fankatoavana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana Miabo, na ny PNDE. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny Filoham-pirenena...
♦ Mila hapetraka ny fitoniana pôlitika vao tokony hirosoana ny fifidianana hoy ny antoko Tamami. Mitaky ny hanovàna ny governemanta, hisokatra amin'ny mpanohitra ity antoko ity, mialohan'ny fifidianana... ♦ Olona miisa 8 no naratra, am-polony nosamborina, vokatry ny hetsika fanoheran'ny andian'olona ny fitrandrahana ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro. Raikitra ny fifandonana teo amin'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana tao Mandena, omaly... ♦ Manahy korontana amin'ny baolina kitra malagasy indray ny K2HB, noho ny toe-javatra misy amin'ny fifidianana filohan'ny seksiôna amin'izao. Tokony hovàna ny rafitra sy ny fomba fifidianana mba hisorohana izany hoy ity kômity ity...
♦ Mampitandrina ireo manaparitaka laza adina amin'ny tambajotran-tserasera ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanome antoka izy ireo fa ho voaaro tsara izany, mandritra izao fanadinam-panjakàna BEPC izao... ♦ Karatany faobe miisa 37.000 no kendrena ho zaraina anatin'ny tetik'asa TAFITA amin'ity taona ity eto amin'ny Faritra Analamanga sy Itasy. Ny 14.000 amin'ireo no efa voazara hatramin'izao... ♦ Ho vita ao anatin'ny roa volana ny foto-drafitr'asa famatsiana rano fisotro madio any amin'ny Kaominina Anivorano-Nord, Distrika Antsiranana faharoa. Nijery ifotony nanara-maso ny asa fanamboarana ny Ministry ny rano...
♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny, ny andro voalohany tamin'ny fanadinam-panjakana BEPC. Heverina hivaly afaka tapa-bolana ny fanadinana, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ho vita ao anatin'ny roa volana ny fotodrafitr'asa famatsiana rano fisotro madio, ho an'Anivorano Avaratra, any amin'ny Distrikan'Antsiranana II... ♦ Kara-tany faobe miisa 37000 no kendren'ny Tetikasa Tafita hozaraina amin'ity taona ity, eto Analamanga sy any Itasy, raha toa ka 14000 no efa voazara...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco