♦ Hotanterahana ny 9 nôvambra 2023, ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Nankatoavin'ny Filankevitry ny Governemanta androany, ny vinavinan'ny datim-pifidianana naroson'ny CENI... ♦ Manambana ny hampikatso tanteraka ny fampianarana ambaratonga ambony, ny Sedikan'ny Mpampianatra mpikaroka sy ny Mpikaroka mpampianatra Sampana Antananarivo. Takian'ny SECES ny hialan'ny Praiminisitra sy ny Minisitra misahana ny Fampianarana Ambaratonga Ambony...
♦ Mangataka ny hanaovana fifidianana andro alahady ny antoko Fiombonana, mba hampiakarana ny taha-pahavitrihan'ny mpifidy. Namoaka fanambaràna izy ireo, manoloana ny raharaham-pirenena... ♦ Mangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina ny BNGRC, manoloana ny ampamoaka nataon'ny Transparency International, amin'ny fisian'ny fanodikodinana fanampiana ho an'ny olona kere any atsimon'ny nosy... ♦ Marihina androany ny andro maneran-tany ho an'ny mponina. Mifantoka amin'ny fanomezan-danja ny "Miralenta ny lahy sy ny vavy" ny loha-hevitra hanamarihantsika eto Madagasikara izany, ho an'ity taona ity...
♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'Antsirabe. Notendren'ny Papa François ho Evekan'ity Diôsezy ity i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nitokona tsy niasa ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly. Velon-taraina izy ireo fa mbola tsy nandray karama volana jona. Misedra olana ny fandoavan-ketra, hoy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo, etsy ankilany... ♦ Olona miisa 5 nampidirana am-ponja noho ny fanalam-baraka ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny jeneraly Serge Gellé. Maromaro ireo fandikan-dalàna nanenjehana azy ireo ka handalo fitsaràna amin'ny 25 jolay ny raharaha...
♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Analakely androany, ireo ampahany amin'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, noho ny mbola tsy nandraisan'izy ireo ny karama volana jona... ♦ Olana fototra nampitotongana ny sehatry ny lavanila ankehitriny, ny tsy fampiharan'ny mpitondra fanjakana ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny Filoha Nasônalin'ny Antoko MMM, tany amin'ny Faritra Sava...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco