♦ Mihidy tanteraka ny fifamoivoizana miditra an'Analakely, nanomboka ny maraina teo. Andrasana izay mety ho zava-miseho, tao aorian'ny filazan'ny vondron'ireo kandidà 11 ny fitohizan'ny hetsika ho eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, anio... ♦ Nanao fanambarana ny FFKM ny maraina teo, manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Miantso fitoniana izy ireo, hampitsahatra ny fifampihantsiaka sy ny fifandranitana, izay mety hiteraka fifandonana eto amin'ny firenena... ♦ Nahatratra 300 tafo ireo kilan'ny afo tao Isalo, ao an-tampon-tananan'i Vohipeno omaly, vokatr'ilay savorovoro nitranga tany an-toerana...

♦ Olona miisa 11 farafahakeliny no naratra omaly, nandritra ny hetsika fidinana an-dalambe nataon'ireo kandidà 11, nikasa hanao fihetsiketsehana teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey. Olona roa no nosamborin'ny mpitandro ny filaminana, ankoatra izay... ♦ Mbola hanohy ny hetsi-pitakiana ny vondron'ireo kandidà 11 anio, tao aorian'ny fidinana an-dalambe teny Ambohidahy sy Analakely omaly. Mbola nanamafy izy ireo fa tsy ho rava ny firaisan-kina hitakiana ny fahamarinana eto amin'ny firenena...

♦ Tsy tafiditra an'Analakely ny vondron'ireo kandidà miisa 11, nosakanan'ny mpitandro ny filaminana teo Ambohidahy, izy ireo... ♦ Nitrangan'ny savorovoro tany an-tampon-tananan'i Vohipeno androany... ♦ Mitohy ny tolona ataon'ny SECES sampana Antananarivo, izay no tapak'izy ireo nandritra ny fivoriambe natao teny Ankatso...

♦ Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, nanoloana ny biraon'ny Faritany teny Ambohidahy. Voasambotra ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM, vokatry ny hetsika notarihan'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Tsy misy atahorana ny ahiahy amin'ny fikomian'ny miaramila manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny Loholona Richard Ravalomanana... ♦ Nitarika disadisa teo amin'ny Fiangonana nisy azy ny fametrahan'ny Pasteur Rasolofotiana Miarintsoa ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Filoham-pirenena...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...