♦ Natomboka ny faran'ny herinandro teo ny fanamboarana ilay fantsona famatsiana rano ho an'ny amin'ny Faritra Androy miala any Efaho. Hahatratra 97 kma ny halavany, hamatsy rano 15 tapitrisa metatra tora-telo isan-taona... ♦ Manahy ny tsy haha-voatazona ny fameram-bidy farany ambany ny lavanila ho 75000 Ariary ireo tantsaha ao anatin'ny Sahanala, taorian'ny famahàna olana tany Sava. Hihaona amin'ny Praiministra izy ireo, manoloana izany... ♦ Nomarihana ny sabotsy teo ny andro eran-tany ho an'ny tany. Hetsi-panentanana nanairana ny rehetra teny Analakely no nentin'ny fianakaviambe Fransiskàna nanamarihana izany... ♦ Mampody ireo terataniny monina sy miasa any Soudan ireo firenena eropeana, manoloana ny ady any an-toerana...

♦ Manolo-kevitra amin'ny tokony hanatsarana ny lalàna mifehy ny fitsarana Avo na HCJ ny Kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana ny antoko Malagasy Miara-Miainga manoloana ny sakana nahazo azy ireo tany Fandriana... ♦ Mikatso eny anivon'ny tahirim-bolam-panjakana ny volan'ny ankamaroan'ny Kaominina ankehitriny... ♦ Vaovao avy any Ivelany : Efa maherin'ny 400 olona ireo maty tao anatin'ny herinandro vokatry ny ady any Soudan...

♦ Tokony hijoro ho môdely eto amin'ny firenena ary iala amin'ny fifampiantsiana ireo mpanao pôlitika eto Madagasikara hoy ny "Justice et Paix"... ♦ Manampy amin'ny fanabeazana ny ankizy ny Tetik'asa Ankizy Krismasy na ny "TAK" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Tetik'asa teto Madagasikara... ♦ Mbola misy ireo olom-pirenena tsy mahafantatra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana...

♦ Tsy nisy olom-panjakna ambony na iray aza, notsaraina teo anivon'ny HCJ, tao anatin'ny 5 taona. Naneho ny alahelony manoloana izany, ny Filohan'ny kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI, androany... ♦ Miatrika ny Fivoriambe isan-taona, eto Antananarivo, ny "Justice et Paix" eto Madagasikara. Anisan'ny voaresaka sy dinihina amin'izany ny famakafakana ny zava-misy ara-piaraha-monina sy nanaovana tatitra ny tranga niseho isan-diôsezy... ♦ Misy ilay tetik'asa OTOH, hanomezan'ny fitondram-panjakana zara-tany maimaimpoana, ho an'ny sokajin'olona tsy manana fahafahana hividy tany sy hanorina trano...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...