♦ Mikasa hanolotra kandidà tokana, Zanaky ny faritany, ny Vondrona Firaisan-kina faritanin'i Fianarantsoa amin'ny fifidianana ho avy io. Maniry ny hamory vahoaka izy ireo, saingy mbola tsy nahazo alalana hatramin'izao... ♦ Tsy ho tapaka ny fandraisan'ny Zokiolona fisotron-dronono, na teo aza ny fitokonana hoy ireo mpiasan'ny CNaPs. Nanome antoka izy ireo fa nisy hatrany ny fandoavam-bola tamin'ny fotoana niatoan'ny fandraisana ireo mpila raharaha... ♦ Vinavinaina ho tratra amin'ity taona ity ny tahan'ny fisondrotry ny harin-karena faobe 4% mahery kely amin'ity taona ity hoy ny eo anivon'ny INSTAT. Tsy mbola ho hita taratra amin'ny fari-piainan'ny vahoaka malagasy anefa izany...
♦Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana madio ny vondrona politika APOGENIE. Misy biraom-pokontany 6.000 sy biraom-pifidianana noforonina mifandraika amin'izany, nefa tsy hita fototra mazava hoy izy ireo... ♦ Notendrena omaly ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs izay anisan'ny anton'ny fitokonan'ny mpiasa nandritra ny iray volana. Voatendry amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Vimbina Rahaingonjatovo... ♦ Tsy mbola nisy voasambotra hatramin'ny omaly ireo gadra tafatsoaka ny fonjan'i Mananjary. Nitondra fanazavàna momba ny fepetra efa noraisina omaly ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja, manoloana ity raharaha ity...
♦ Miahiahy amin'ny fisian'ny Biraom-pokontany miisa 6 arivo sy Biraom-pifidianana marobe hoforonina ny APOGENIE. Nanamafy ny fametrahana Governemanta tsy miandany hanomana ny fifidianana ity vovonana ity, manoloana izany... ♦ Nivaha amin'ny ankapobeny ny olana nampitokona ireo mpiasan'ny CNaPS nandritra ny iray volana. Hisokatra isan'andro amin'izay ny biraon'ny CNaPS manerana ny nosy manomboka izao... ♦ Mbola tsy nisy voasambotra hatramin'ny androany ireo enin-dahy tafatsoaka nandritra ny fahavakisan'ny fonjan'i Mananjary...
♦ Mbola tsy isan'ireo handray anjara amin'ny fifidianana eto Madagasikara aloha ireo "diaspora" Malagasy. Nambaran'ny CENI fa efa nikatona ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Mbola mitohy ny fikarohana ireo voafonja miisa enina tafatsoaka tao amin'ny fonjan'i Mananjary. Nahetsika avokoa ireo mpitandro ny filaminana hanao ny fikarohana... ♦ Tyy misy afa-tsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany aloha hatramin'izao no mamerina tsikelikely ny vola nindraminy tao amin'ny CNaPS...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco