♦ Hifarana anio ny fampiofanana ireo olona 80 isa, izay hanofana ireo mpikamban'ny biraom-pifidianana manerana ny nosy... ♦ Minisitra miisa roa (2) amin'ny governemanta ifarimbonana no efa nanambara ôfisialy ny fametraham-pialàny ankehitriny noho ny filazan'izy ireo fa hifantoka tanteraka amin'ny fampielezan-kevitra amin'izao fotoam-pifidianana izao... ♦ Tsy maintsy manaraka ny fepetra takian'ny lalana ireo haino aman-jery "en ligne" hoy ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Mbola mitohy hatramin'ny omaly ny ady ao amin'ny faritra GAZA. Tsy mitsaha-mitombo vokatr'izany ny isan'ireo olona maty vokatr'izao ady eo amin'ny Israeliana sy ny Hamas...

♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, nilaza fa vonona indray handray ny fitantanana ny firenena, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Manentana hatrany ny hitondrana am-bavaka ny firenena ny FFKM, ary nilaza fa mbola vonona hatrany hanohy ny fitadiavam-bahaolana... ♦ Tsy hanao fampielezan-kevitra ny vondron'ny kandidà raha tsy misy mivaly ny fitakiany ka nidina an-dalam-be indray omaly. Nanentana ny vahokan'Antsiranana hiaina hatrany ny fitiavana kosa ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina omaly... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fahasalamana ara-tsain'ny mponina manodidina ny 1 tapitrisa any Ukraine ny ady iainan'izy ireo hoy ny OMS...

♦ Mbola vonona hanohy ny fampihaonana hitadiavana vahaolana amin'ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Mandalo kihon-dàlana sarotra sy manahirana, hoy ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy, i Madagasikara... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, milaza ny fahavononany indray handray ny fitantanana ny firenena, ny Filohan'ny Antenimeran--doholona, Herimanana Razafimahefa... ♦ Tsy nanao fampielezan-kevitra, fa nanohy ny fidinana an-dalambe teto an-drenivohitra, ny vondron'ireo kandidà...

♦ Lainga ny voalazan'ny filohan'ny Antenimieran-doholona, hoy ny fanambarana ny governemanta ifarimbonana, ka manameloka izany amin'ny heriny manontolo izy ireo...  ♦ Ho an'Antananarivo manokana, navoakan'ny teo anivon'ny prefektioran'Antananarivony lisitry ny toerana afahana manao ny fampielezan-kevitra, ka tsy ao anatin'ny afahana manao izany ny eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey... ♦ Tsy handray anjara amin'ny fampielezan-kevitra ny vondron'ny kandidà raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo. Fotoam-bavaka teny Mahatazana teny amin'ny Akamasoa no nanombohan'ny kandidà laharana fahatelo ny fampielezan-kevitra androany maraina...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...