♦ Nahemotry ny CENI ho amin'ny 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahana manatitra ny taratasy firotsahan-kofidiana ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina raha tokony hifarana rahampitso 9 septambra... ♦ Firaketan-draharaha eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo : 2.000 isa isan'andro ireo taratasy fangatahana fanamarinana fizakana zom-pirenena sy Casier Judiciaire voaray... ♦ Madagasikara no handray ny fihaonamben'ireo mampiasa volan'ny AFRICA 50, rahampitso alakamisy 19 septambra etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato... ♦ Nolavin'ilay orinasa Gold Apollo ny filazana azy ho nanamboatra ireo Bipeurs nampiasan'ny Hezbollha Libanais...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240918.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...