♦ Tsy midika fa hampitony ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fanomanana ny fifidianana, ny fampihaonan'ny CENI amin'ny zoma, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Natomboka androany, ny herinandro hanamarihana ny faha-76 taonan'ny tolo-panafahana 1947... ♦ Androany 22 marsa no Taom-baovao malagasy, ho an'ity taona 2023 ity. Nakotroka ny fanomezan-tsodrano sy ny fihinanana vary amin-dronono tondrahan-tantely, ho an'ny teny Mahamasina, nandraisana izany taom-baovao izany...
♦ Olona 300 isaky ny 30 minitra eo, no tombanana hotaterin'ny zotran-dalamby an-tanan-dehibe, mampitohy an'Amoronakona sy i Soarano, amin'ny fanandramana hatao manomboka amin'ny volana aogositra... ♦ Mitohy hatrany ny fakan-kevitra ataon'ny CENI, amin'ireo antoko pôlitika eto amintsika, ny amin'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Niakatra Fampanoavana tany Antsiranana afaka omaly, ny olona miisa 19 voarohirohy, tamin'ilay raharaha saika hanondranana olona an-tsokosoko nankany Mayotte...
♦ Kendrena ho azo hampiasaina amin'ny volana aogositra izao, ny ampahany voalohany amin'ny fitaterana antariby sy ny “train urbain”... ♦ Hodinihin'ireo parlemantera amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, ho fampanarahan-dalana sy ho fampanjakana ny rariny ara-tsôsialy ary asa mendrika eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny taom-baovao 2023 manomboka anio, ary manamarika izany ireo mpandala ny Taom-baovao malagasy, amin'ny fotoanan'ny fararano mialoha ny hahataperan'ny fahavaratra, toa izao...
♦ Miakatra ny reniranon'i Sisaony noho ny rotsak'orana. Anatin'ny filazana loza manambana na ny loko mavo amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reninrano Sisaony... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, hoy ny Minisitry ny Asa, Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sôsialy... ♦ Mifarana androany ny taona 2022, ho an'ireo mpandala ny taom-baovao malagasy...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco