♦ Mety ho mbola tsy amin'ity herinandro ity no hitsangana ny Governemanta vaovao. Ho any Harare, Zimbabwe indray ny Filoham-pirenena malagasy amin'ny faran'ny herinandro izao... ♦ Nentina nitsapana ny hevitry ny mpiasa ilay vaovao niparitaka momba ny fiakaran'ny IRSA ho 25%, hoy ny Randrana Sendikaly. Nambaran'ity sendikà ity fa mety hihatra amin'ny taona 2025 io fampiakarana io... ♦ Mihamafy ny fahatapahan'ny herinaratra eto Antananarivo. Misy fahasimbana ny fitaovana amin'ny zotra roa mpitatitra herinaratra miainga avy any Andekaleka ka mahatonga izany, hoy ny avy amin'ny JIRAMA...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240813.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...