♦ Niharan'ny fisamborana ary nentina eo an-drenivohitra ny mpanao gazety Rakotomalala Rossignol. Voarohirohy ho tompon'antoka tamin'ny fiparitahan'ny teny mamoafady tao amin'ny "facebook"-ny solombavambahoaka voafidy tao Manakara izy... ♦ Hanatanteraka fivoriambe hanomanana ny fihaonana an-tampon'ny olom-pirenena anio ny "cellule de crise Diovy Madagasikara"... ♦ Velontaraina amin'ny fahatarana eo amin'ny fandraisan-karaman'ny Kaominina Anatananarivo renivohitra ny sendikà mahaleo tena eo anivon'ity kaominina ity... ♦ Naneho firaisan-kina hatrany ireo mpino kristiana vitsy an'isa ao amin'ny Nosy Kaomoro, na dia andro niasàna aza ny andron'ny Noely ao amin'ity Nosy ity, rehefa tsy mitontona andro alahady...
♦ Hanao laha-teny ho an'ny vahoaka malagasy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny faran'ny taona. Laha-teny heverina fa hilazàny ireo fandaharan'asan'ny fitondrana ho an'ny taona 2024 ho avy io, ankoatra ny firariantsoa, noho ny taom-baovao... ♦ Hitety faritra ny "cellule de crise Diovy Madagasikara" haka ny hevitra eny ifotony, ho fiomanana amin'ny fihaonana antampon'ny olom-pirenena hokarakarain'izy ireo. Fihaonana antampony izy io, hanarenana ny ara-toe-karena sy sôsialin'ny firenena... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo olona fito voarohirohy tamin'ilay fanadiovana vary efa simba 50 kaontenera tany Mahajanga. Nahitàna vary anaty gony an'arivony ny fiara telon'ilay orinasa rehefa natao ny fisavàna...
♦ Natolotra nandritra ny fivoriambe nataon'ny Ivom-panajariana an'Antananarivo sy ny manodidina na ny IPAM omaly ny paik'ady hitantanana ny fako hiarahan'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina manodidina manatanteraka... ♦ Nitombo ny fanjifan'ny malagasy ny hazandrano. Teo amin'ny 2,16 kg isan'olona isan-taona izany taloha, nanomboka ny taona 2021 sy ny 2022 dia tafakatra 4,26 kg isan'olona isan-taona izany... ♦ Nahazo vokatra tsara amin'ny fanarenana ny ala ao aminy ny vovonam-pikambanana Union Matanjaka any amin'ny Faritr'i Diana... ♦ Nitsidika any Meksika ny lehiben'ny diplômasia amerikana, momba ireo mpitsoam-ponenana mihazo an'i Etazonia no votoanton'ny dia...
♦ Nisy nanafika ny tranon-dry Mompera ao Tanjomoha Distrikan'i Vohipeno. Mpiambina iray no maty nandritra ny fifandonana... ♦ Nanamarika ny faha-51 taona nijoroany ny antoko MFM. Tsy mitsahatra mandrisika ny hisian'ny fifampidinihana hikarohana vahaolana hisian'ny fifanarahana pôlitika ity antoko ity... ♦ Mangataka ny hameranana ny fandoavan-ketra mivantana eny anivon'ny kaominina ireo ben'ny tanàna mandrafitra ny Ivom-panajariana an'Antananarivo na ny IPAM. Niatrika fivoriambe teny Anosy izy ireo omaly... ♦ Mitohy ny zera baomban'ny tafika israeliana any Gaza. Maherin'ny 21.000 ankehitriny ny isan'ny palestiniana maty. Nahery vaika omaly ny fifandonan'ny Tsahal sy ny Hesbolah libanais...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco