♦ Tena marary ny firenena, mikororosifahana ny fiarian-karena, maro ireo gaboraraka kanefa tsy tokony hararaotina ny fahantran'ny vahoaka. Hafatra nisongadina taorian'ny fivorianana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana... ♦ Miisa 160 ireo tehina fotsy nozarain'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisan-kina, nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy natao tany Antsirabe... ♦ Nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy akaiky, Mopera PEDRO tamin'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny AKAMASO, roso ny dia aina no fetra hoy izy... ♦ Miisa 14 ireo nasandratra sy nambaran'ny Papa François ho Olomasina omaly, Martiry ny 11 ary mpanorona fikambanana ny 3 hafa...
♦ Amehana eto amin'ny firenena ny momba ny herinaratra ka anara-maso akaiky ny fanatanterahana ny tetik'asa momba izany ny filoham-pirenena. Nihaona tamin'ireo delegasiôn'ny Banky Iraisam-pirenena niresaka ny momba izany Andriamatoa Andry Rajoelina omaly... ♦ Voasaringotra amin'ny raharaha kolikoly ny ankamaroan'ny mpiasam-panjakàna nohadihadian'ny Bianco. Noresahana nandritra ny fakan-kevitra natao tetsy Ambohibao ny fahitsian'ny mpiasam-panjakàna amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Hitarina hatramin'ny rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny faobe ho an'ny ao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano. Hotratrarina ny tahan'ny zaza vita vaksiny hatramin'ny 95%...
♦ Takian'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifan'ny JIRAMA tsy voaloha ara-potoana. Milahatra ora maro ireo mpanjifa mandoa faktiora amin'ny masoivohon'ny JIRAMA ao an-drenivohitra... ♦ Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanohanana amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny COI. Fitaovana maherin'ny 5,5 miliara Ariary no natolotra. Nanofana mpiasan'ny fahasalamana mpahay ny momba ny valan'aretina eny an-kianja... ♦ Mikokatra ho an'ny taom-pianarana 2024 - 2025 ny Oniversite Don Bosco ASSJA ao amin'ny diôsezin'i Moramanga. Lalam-piofanana 3 no misy ao...
♦ Iray volana mialoha ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna isika izao. Kandidà roa na telo, amin'ireo fito ao an-drenivohitra, no hany manomboka miseho vahoaka tato ho ato... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifa tsy voaloa ara-potoana ny PMH. Filaharam-be no hita eny amin'ny biraon'ny Jirama, izay heverina ho vokatr'io tatao 5% io... ♦ Notohanan'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana ny rafitra misahana ny fahasalamana eto amintsika. Nisy ny lanonana ôfisialy mifandraika amin'izany teny Androhibe androany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco