♦ Ny sabotsy izao no fotoam-pandevenana ny Papa François, taorian'ny fodiamandriny. Efa voafaritra ihany koa ny daty hanatanterahana ny "conclave" hifidianana izay Papa handimby azy... ♦ Voalahatra anatin'ny lahadinika ny resaka "îles éparses" amin'ny fihaonan'ny filoha Malagasy sy Frantsay, rahampitso. Nampahafantatra izany ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena, omaly... ♦ Miasa toy ny isan'andro ny mpitatitra olona sy entana manerana an'i Madagasikara, rahampitso sy ny Alakamisy izao, hoy ny Ministeran'ny Fitaterana... ♦ Manao ranolava ny fanehoana fiaraha-miory voarain'i Vatican, noho ny fahafatesan'ny Papa François. Misaotra 7 andro ny any Argentine, niaviany...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...