Manjombona ary misaona ny Fiangonana Katôlika, nodimandry teo amin'ny faha-88 taonany, omaly alatsinainy maraina 21 avrily 2025, ny Papa François. Notsaboina nandritra ny 38 andro tao amin'ny Hopitaly Gemelli, noho ny aretin'ny taovam-pisefoana. Mirakitra ho tantaran'i Madagasikara, tsy ho hay adinoina ny famangian'ny Papa François tamin'ny taona 2019, izay nankaherezany ny vahoaka Malagasy hiady amin'ny kolikoly sy ireo endrika rehetra mampizarazara, manohitohina ny soatoavin'ny Fihavanana Malagasy. 12 taona izao no nitondran'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...