Manjombona ary misaona ny Fiangonana Katôlika, nodimandry teo amin'ny faha-88 taonany, omaly alatsinainy maraina 21 avrily 2025, ny Papa François. Notsaboina nandritra ny 38 andro tao amin'ny Hopitaly Gemelli, noho ny aretin'ny taovam-pisefoana. Mirakitra ho tantaran'i Madagasikara, tsy ho hay adinoina ny famangian'ny Papa François tamin'ny taona 2019, izay nankaherezany ny vahoaka Malagasy hiady amin'ny kolikoly sy ireo endrika rehetra mampizarazara, manohitohina ny soatoavin'ny Fihavanana Malagasy. 12 taona izao no nitondran'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...