Ho antsika kristiana ny "eny" dia milaza fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, ka ny "eny" nataon'i Masina Maria no tonga ao an-tsaina voalohany amin'izany (cf Lk.1,38). Io faneken'i Masina Maria io no faratampony satria fiatombohan'ny asam-panavotana nataon'I Jesoa Kristy teto an-tany. Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Anisan'ny lesoka ka tsy maintsy hanampiana ny tanora ny tanora ny fisalasalana na ny tahotra mihintsy aza amin'ny fanorenana ny ho aviny. Naverin'ny Papa Fransoa tamin'ny tanora teto Madagasikara io famporisihana io tamin'ny fihaonany tamin'ny tanora, ka nahazahoana ity lohahevitra ity hoe : manaova " eny amin'ny fahasahiana hanorina ny ho avy". Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ny ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Toetra ilaina amin'ny fivoaran'ny tena ny fananana hazon-damosina. Ny fahasahiana mijoro amin'ny maha-izy ny tena dia ahafahana manamafy orina ny fahatokisan-tena sy ny fanantenana ary ny finoana ka tsy ho mora handairan'ny famoizam-po. Fotoana fanorenana ny fahatanorana ka tsy tokony hanjeny ny andro ho lava, ary tsy miasa irery fa miaraka amin'i Kristy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...