Amin'ny fotoanan'ny fifamofoana dia mifankahafantatra ara-tsaina, ara-batana izany hoe fahasalamana, ary ara-panahy ny olona mihevitra ny hivady, mba hahafahana manao firaisana ara-nofo amim-pifaliana any aorian'ny fanamasinana ny mariazy. Fitsipika ara-baiboly ny hoe mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy mba hifikitra amin'ny vadiny, izany dia tanteraka amin'ny fifamofoana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Rehefa voalamina ny safidin'ny vady dia manomboka ny fotoanan'ny fifamofoana ; fotoana mahafinaritra sy mampientam-po. Ara-tsoratra Masina dia misy fototra ny fiarahana : manamafy izany ilay ao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe ny fanambadiana dia miorina mafy, ary misy fepetra mazava momba izany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy hatrany : manana hatsaram-panahy i Rebeka satria rehefa nangataka rano taminy ilay mpanompo dia nanome an-tsitrapo izy ; ny hatsaran-tarehiny dia tsy nahatonga azy hiavonavona fa kosa sariaka amin'ny olona tsy fantany. Nanana zotom-po i Rebeka ary nahay nandray vahiny, nahay nandanjalanja fanapahan-kevitra ihany koa izy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Tsy tsara ny manery ny hafa satria ao anatin'ny tantara voalaza ao amin'ny Jenezy 24 dia tsy misy zavatra terena sy tsy misy fanerena. Ny tena tsara dia ny mandinika ny sitrapon'Andriamanitra. Manoloana ny safidy dia mety kokoa ny manao ho zava-dehibe ny soatoavina sy ny toetra anaty mialoha ny hatsaran-tarehy izay hita ety ivelany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...